Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 91, 1-2,10-11,12-13,14-15,
Raha amintsika Andriamanitra, iza no hahatohitra antsika?

       1Izay mialoka eo ambany fiarovan'ny Avo-Indrindra,
miala sasatra eo amin'ny aloky ny Tsitoha.
       2Hoy aho amin'ny Tompo: Hianao no trano mimandako sy fialofako.
Andriamanitro izay itokiako.
       10Ny fahoriana tsy hihatra aminao,
tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory.
       11Fa izy handidy ireo anjeliny, ny aminao,
mba hiambina anao amin'izay alehanao rehetra:
       12ka hivimbina anao eny an-tànany ireo,
fandrao tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.
       13Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspika hianao,
hanosihosy ny liona tanora mbamin'ny dragona hianao.
       14Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy;
hiaro azy aho, fa mahalala ny anarako izy.
       15Hiantso ahy izy, ary hamaly azy aho;
homba azy amin'ny andron'ny fahoriana aho.
Hanafaka sy hanome voninahitra azy aho. >