Ny Salamo

Toko faha-92

1 Salamo. Fihirana fanao amin'ny andro sabata.

2 Tsara ny midera an'ny Tompo, sy ny mankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,

3 ny mitory ny hatsaram-ponao, nony maraina, ary ny tsy fivadihanao, nony alina,

4 amin'ny valiha tory folo, sy amin'ny lokanga, ary amin'ny fireondreon'ny harpa.

5 Mampifaly ahy amin'ny asanao hianao, ry Iaveh, ary mientana aho manoloana ny asan-tànanao.

6 Akory ity halehiben'ny asanao, ry Iaveh, akory izany halalin'izay fisainanao!

7 Ny olona kentrina tsy mahalala na inona na inona tamin'izany; ary ny adala tsy mahita mangirana amin'izany.

8 Raha mirobona toy ny ahitra ny ratsy fanahy, ka mandroso avokoa izay manao ratsy, dia ny mba horinganina mandrakizay.

9 Fa hianao kosa, tafasandratra mandrakizay, ry Iaveh.

10 Fa indreo ny fahavalonao, ry Iaveh, indreo levona ny fahavalonao, mihahaka avokoa izay manao ratsy.

11 Ary ny tandroko asandratrao, toy ny an'ny ombimanga; tondrahana diloilo vaovao aho.

12 Ny masoko faly mitazana ny fahavaloko; ary ny sofiko mandre ny ratsy fanahy mitsangan-kamely ahy.

13 Ny marina hitombo tahaka ny rofia; hisondrotra tahaka ny sedera any Libana izy.

14 nambolena ao an-tranon'ny Tompo izy, dia hamony eo amin'ny kianjan'ny Andriamanitsika.

15 Mbola hamoa izy amin'ny fahanterany; sady ho be ranony sy maitso mavana,

16 mba hanambara fa marina Iaveh: izy no vatolampiko; ary tsy misy ao aminy ny tsy an-drariny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.247