Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 92, 2-3.13-14.15-16.

       <2Tsara ny midera an'ny Tompo,
sy ny mankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
       3ny mitory ny hatsaram-ponao, nony maraina,
ary ny tsy fivadihanao, nony alina,
       13Ny marina hitombo tahaka ny rofia;
hisondrotra tahaka ny sedera any Libana izy.
       14nambolena ao an-tranon'ny Tompo izy,
dia hamony eo amin'ny kianjan'ny Andriamanitsika.
       15Mbola hamoa izy amin'ny fahanterany;
sady ho be ranony sy maitso mavana,
       16mba hanambara fa marina Iaveh:
izy no vatolampiko; ary tsy misy ao aminy ny tsy an-drariny. >