Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 94, 12-13a.14-15.17-18.

       <12Sambatra ny olona ampianarinao, ry Iaveh,
sady omenao fampianarana ny lalànao,
       13mba hanonenao azy amin'ny andron'ny fahoriana,
mandra-pahavoahady ny lavaka ho an'ny ratsy fanahy.
       14Fa tsy hanary ny vahoakany Iaveh,
tsy hahafoy ny lovany izy;
       15fa tsy maintsy hifanaraka amin'ny rariny indray ny fitsarana,
ary hihoby amin'izany avokoa ny olona mahitsy fo.
       17Raha tsy Iaveh no vonjiko,
dia halaky mitoetra any amin'ny fonenan'ny fahanginginana ny fanahiko.
       18Raha vao milaza aho hoe: Mangozohozo ny tongotro,
dia tohanan'ny hatsaram-ponao, ry Iaveh! >