Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 95, 1-2,6-7,8-9,
Fiantsoana hidera sy hanaiky an'Andriamanitra.

       1Avia hihira amim-piravoravoana ho an'ny Tompo!
Manaova hobim-pifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika!
       2Andeha isika hitsena azy amin'ny fiderana;
aoka hampireondreona hira fankalazana azy isika.
       6Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka isika;
mandohaliha eo anatrehan'ny Tompo Mpahary antsika.
       7Fa izy no Andriamanitsika,
ary isika dia vahoaka eo am-balany,
andian'ondry entin'ny tànany.
       8Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà,
tahaka ny tamin'ny andro tao Masà, tany an'efitra,
       9izay nakan'ny razanareo fanahy ahy,
sy nizahany toetra ahy, na dia efa nahita ny asako aza izy ireo. >