Ny Salamo
Salamo toko 96, 1-3
Fiderana sy fanomezam-boninahitra miara-be an'Iaveh, izay ho avy hitsara ny tany.
1Mihirà fihiram-baovao ho an'ny Tompo!
Mihirà ho an'ny Tompo hianareo monina amin'ny tany rehetra.
2Mihirà ho an'ny Tompo, misaora ny anarany.
Lazao isan'andro ny famonjeny,
3ambarao amin'ny firenena ny voninahiny,
ary amin'ny firenena rehetra ny fahagagany. >