Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 97, 1-6
Fandresen'Iaveh ny sampy - Fiarovany ny mpanompony.

       1Mpanjaka Iaveh: aoka hifaly ny tany;
Aoka hiravoravo ny nosy maro!
       2Rahona aman'aloka no manodidina azy,
rariny sy hitsiny no iorenan'ny seza fiandrianany.
       3Afo no mandroso eo alohany,
sady mandevona ny fahavalony manodidina.
       4Mahazava izao tontolo izao ny tselany,
mahita izany ny tany ka mipararetra.
       5Miempo hoatry ny savoka ny tendrombohitra eo anatrehan'ny Tompo,
dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.
       6Ny lanitra mitory ny fahamarinany,
ary ny firenena rehetra mibanjina ny voninahiny. >