Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 98, 1,2-3ab,3cd-4,5-6,
Fanjakan'Iaveh amin'izao tontolo izao - Fiantsoana hanome voninahitra azy - Fihaviany hitsara ny tany.

       1Salamo.
Mihira fihiram-baovao ho an'ny Tompo,
fa nanao fahagagana izy.
Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina
no nahazoany ny fandresena.
       2Nampiharihary ny famonjeny Iaveh;
nanambara ny fahamarinany teo imason'ny firenena izy.
       3Notsarovany ny hatsaram-pony amam-pahamarinany amin'ny taranak'Israely.
Ny vazan-tany efatra,
nahita ny famonjen'Andriamanitsika avokoa.
       4Manaova hobin-kafaliana mankamin'ny Tompo,
hianareo monina amin'ny tany rehetra.
Ataovy mipoaka amin'ny feon-java-maneno ny firavoravoanareo.
       5Mankalazà an'ny Tompo amin'ny harpa,
amin'ny harpa sy amin'ny fihirana.
       6Manaova hobin-kafaliana eo anatrehan'ny Tompo Mpanjaka,
amin'ny trompetra amam-peon'anjomara. >