Ny Salamo

Toko faha-99

1 Mpanjaka Iaveh; mangovitra ny firenena; mipetraka eo amin'ny Kerobima izy; mangozohozo ny tany.

2 Lehibe ao Siona Iaveh, tafasandratra ambonin'ny firenena izy.

3 Hoderaina anie ny anaranao, sady lehibe no mahatahotra. - Masina izy.

4 Hoderaina anie ny herin'ny Mpanjaka, izay tia ny rariny. Manamafy ny fahitsiana hianao, mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny eo amin'i Jakoba hianao.

5 Mankalazà an'ny Tompo Andriamanitsika, ary miankohofa eo anatrehan'ny lampihazo ipetrahan'ny tongony. - Fa Masina izy.

6 Moizy sy Aarona dia anisan'ireo mpisorony, ary Samoela isan'ireo miantso ny anarany, dia niantso an'ny Tompo, ka novaliany.

7 Niteny tamin'ireo tao amin'ny andry rahona izy; nitandrina ny didiny izy ireo sy ny lalàna izay efa nomeny azy ireo.

8 Ry Iaveh Andriamanitray ô, nekenao ny fangatahanay; Andriamanitra be indrafo ho azy ireo hianao, ary namaly azy tamin'ny hadisoany.

9 Mankalazà an'ny Tompo Andriamanitsika, ary miankohofa eo anatrehan'ny tendrombohiny masina, fa masina Iaveh Andriamanitsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0984