Boky Voalohan'i Samoela
Toko faha-17
32 Ary izao no nolazain'i Davida tamin'i Saola: Aza misy mamoy fo ny olona fa handeha hiady amin'io Filistina io ny mpanomponao. 33 Fa hoy Saola tamin'i Davida: Tsy azonao atao ny mandroso hihaona amin'io Filistina io mba hiady aminy, fa hianao mbola zaza, izy efa lehilahy mpiady hatramin'ny fahatanorany. 37 Dia hoy koa Davida: Iaveh izay efa namonjy ahy tamin'ny liona sy ny orsa, no hamonjy ahy koa amin'ny tànan'io Filistina io. Ka hoy Saola tamin'i Davida: Andeha àry, ary homba anao anie Iaveh. 40 ny tehiny no noraisiny teny an-tànany, vato kilonjy dimy no nofantenany teny amin'ny rian-driaka sy nataony tao an-kitapo fitondran'ny mpiandry ondry, kotra fasiany haza; ary ny antsamontadiny no nataony an-tànana, dia nandroso nanatona ilay Filistina izy. 41 Nanatona an'i Davida tsikelikely ity Filistina, nialohan'ny lehilahy nitondra ny ampingany.42 Nijery ilay Filistina ka nahita an'i Davida, ary naneso azy, fa tanora kely, mena volo ary tsara tarehy. 43 Hoy ilay Filistina tamin'i Davida: F'izaho angaha alika, no tehina no hankanesan'ialahy aty amiko? Dia nanozona an'i Davida amin'ireo andriamaniny ilay Filistina. 44 Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida hoe: Mankanesa ety amiko ange ialahy, raha tsy omeko ny voro-manidina sy ny biby any an-tsaha ny nofon'ialahy e! 45 Fa hoy kosa ny navalin'i Davida an'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra aman-defona sy lefom-pohy, fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'ny Tompon'ny tafika, ny Andriamanitry ny foloalindahin'Israely, izay notsiratsirainao. 46 Anio dia hatolotry ny Tompo eo an-tànako hianao, ka hasiako hianao, ary hoesoriko eo amboninao ny lohanao; anio dia homeko ny voro-manidina any an-danitra sy ny bibin'ny tany ny fatin'ny tafiky ny Filistina, ka ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra Israely; 47 ary ho fantatr'izao vahoaka rehetra izao fa tsy sabatra na lefona no amonjen'ny Tompo, fa azy ny ady, ka efa natolony eo an-tànanay hianareo. 48 Nitsangana ilay Filistina dia niainga nandroso hitsena an'i Davida, dia nohazakazahin'i Davida nohatonina teo amin'ny laharan'ny miaramila kosa izy,
49 ka natsofok'i Davida tao anatin'ny kotrany ny tànany, notsoahany avy tao ny vato iray, ary nalefany tamin'ny antsamotady. Nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny izy, sady niletra tamin'ny handriny ny vato, ka lavo niankohoka tamin'ny tany izy. 50 Nahomby noho ilay Filistina izany Davida tamin'ny antsamotady iray sy ny vato iray, dia novonoiny ho faty ilay Filistina. Tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida. 51 Nihazakazaka Davida dia niato teo akaikin'ilay Filistina, ary nalainy ny sabany, notsoahany tamin'ny tranony, ka namonoany azy, sy nanapahany ny lohany.