Boky Voalohan'i Samoela
Toko faha-18
6 Nony niditra izy ireo, tamin'ny niverenan'i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka avy tamin'ny tanĂ nan'Israely rehetra ny vehivavy, nihira sy nandihy teo anoloan'i Saola mpanjaka, an-kafaliana, tamin'ny feon'ny ampongatapaka sy ny valiha.7 Ka nifamaly ny vehivavy, ny mpandihy, nanao hoe: Arivoarivo no matin'i Saola, Fa alinalina kosa, ny an'i Davida. 8 Tezitra mafy Saola ary tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an'i Davida nataony alinalina, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ka ny fanjakana izany no sisa tsy azony.
9 Hatramin'izay andro izay dia ratsy fijery an'i Davida Saola. 19 Kanjo nony tonga ny fotoana tokony hanomezana an'i Meroba zanakavavin'i Saola, ho vadin'i Davida, dia nomena ho vadin'i Hadriela, any Molati, indray kosa izy.