Boky Voalohan'i Samoela
Toko faha-9
1 Nisy lehilahy anankiray avy amin'i Benjamina atao hoe Kisy, zanak'i Abiela, zanak'i Serora, zanak'i Bekorata, zanak'i Afià, zanaky ny Benjamita anankiray; lehilahy mahery fo izy io.2 Nanan-janaka lahy anankiray atao hoe Saola izy, izay sady mbola tanora no tsara tarehy; tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin'ny zanak'Israely rehetra, ary nanatombo ny lohany izy amin'ny halavany noho ny olona rehetra. 3 Ary nania ny ampondravavin'i Kisy, rain'i Saola, ka hoy Kisy tamin'i Saola zanany: Mangalà mpanompo anankiray hiaraka aminao dia mandehana mitady ny ampondra.
4 Dia namaky ny tendrombohitr'i Efraima, ary namaky ny tany Salisa izy, nefa tsy nahita; novakiny koa ny tany Salima, fa tsy tany izy; namaky ny tanin'i Benjamina izy, fa tsy nahita. 10 Dia hoy Saola tamin'ny mpanompony: Tsara ny hevitrao ka andao àry. Ka dia lasa izy ireo nankany amin'ny tanàna nisy ilay olon'Andriamanitra. 17 Ka vao nahita an'i Saola Samoela dia hoy Iaveh taminy: Io no lehilahy voalazako taminao, izy no hanjaka amin'ny oloko. 18 Nanatona an'i Samoela tao am-pamatonan'ny vavahady Saola nanao hoe: Aza mahafady, mba atoroy ahy kely ny tranon'ny mpahita.
19 Dia hoy Samoela tamin'i Saola: Izaho no ilay mpahita, miakara eo alohako ho any amin'ny fitoerana avo, fa hiara-mihinana amiko hianareo anio; rahampitso vao halefako handeha hianao, ary holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.