Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-7

1 Nony efa niorina tsara tao an-tranony ny mpanjaka sady nomen'ny Tompo fandriam-pahalemana tamin'ny fahavalony rehetra nanodidina azy,

2 dia hoy ny mpanjaka tamin'i Natàna mpaminany: Jereo ange! Izaho mitoetra an-trano sedera, ary ny fiaran'Andriamanitra mitoetra eo afovoan'ny lay! 3 Ka hoy Natàna, namaly ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa momba anao Iaveh. 4 Ny alin'izay ihany, dia tonga tamin'i Natàna ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

5 Mandehana, lazao amin'ny mpanompoko, amin'i Davida, hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Hianao ve no hanao trano hitoerako? 6 Fa mbola tsy nitoetra an-trano aho, hatramin'ny nitondrako ny zanak'Israely nivoaka avy tany Ejipta ka mandrak'androany, fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao. 7 Ary nandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin'ny zanak'Israely rehetra, moa mba nilaza teny indraim-bava aho tamin'ireo mpifehy an'Israely, izay nasaiko hamahana an'Israely vahoakako, nanaovako hoe: Nahoana hianareo no tsy manao trano sedera ho ahy? 8 Koa ankehitriny, lazao amin'ny mpanompoko, amin'i Davida, hoe: Izao no lazain'ny Tompo-n'ny tafika: Tany an-tanim-bilona tao aorian'ny ondry no nangalako anao ho andriana amin'ny vahoakako, amin'Israely; 9 ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao, ny anaranao nataoko malaza toy ny anaran'ny olo-malaza ambonin'ny tany. 10 Nanokan-toerana ho an'ny vahoakako, ho an'Israely aho, dia nampiorina azy eo, ka efa monina ao aminy izy, ary handry tsy amin'ahiahy, fa tsy hampahorian'ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony, 11 sy toy ny tamin'ny andro nananganako mpitsara hifehy an'Israely vahoakako. Nanome anao fialan-janona tamin'ny fahavalonao rehetra aho; ary lazain'ny Tompo aminao fa hananganany trano hianao. 12 Rahefa tapitra ny andronao, ka mandry amin'ny razanao hianao, dia hatsangako ny taranakao manaraka anao, izay haloaky ny kibonao, ary hamafisiko ny fanjakany. 13 Izay no hanorina trano ho an'ny anarako, ary hohamafisiko ho mandrakizay ny seza fiandrianan'ny fanjakany. 14 Ho toy ny ray ho azy aho, ary izy dia ho toy ny zanaka ho ahy. Raha manao ratsy izy, dia hofaiziko amin'ny tsora-kazon'olombelona, sy ny kapoky ny zanak'olombelona. 15 Ny famindram-poko anefa tsy mba hiala aminy, toy ny nanesorako izany tamin'i Saola, izay nalako teo anoloanao. 16 Fa ho azo antoka ny faharetan'ny tranonao, sy ny fanjakanao eo anatrehanao mandrakizay ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1165