Bokin'i Sofonia

Toko voalohany

1 Ny tenin'ny Tompo izay natao tamin'i Sofonia, zanak'i Kosì, zanak'i Godoliasa, zanak'i Amariasa, zanak'i Ezekiasa, tamin'ny andron'i Josiasa, zanak'i Amona, mpanjakan'i Jodà.

2 Hesoriko eo ambonin'ny tany ny zavatra rehetra, - teny marin'ny Tompo;

3 Hesoriko ny olombelona sy ny biby; hesoriko ny voromanidina sy ny hazan-dranomasina, ary ny fanafintohinana mbamin'ny ratsy fanahy; ka haringako eo ambonin'ny tany ny olombelona, - teny marin'ny Tompo.

4 Dia haninji-tànana hamely an'i Jodà aho, sy hamely ny mponina rehetra ao Jerosalema, ary haringako amin'ity fitoerana ity ny sisan'i Baala, ny anaran'ny mpandraharahany miaraka amin'ny mpisorona.

5 Ireo miankohoka eny ambonin'ny tafon-trano, eo anatrehan'ny tafiky ny lanitra; sy ireo miankohoka manao fianianana amin'ny Tompo, sady mianiana amin'ny mpanjakany;

6 sy ireo mihataka miala amin'ny Tompo, izay tsy mitady an'ny Tompo, ary manan-draharaha aminy akory.

7 Mangìna eo anatrehan'ny Tompo Iaveh, fa efa akaiky ny andron'ny Tompo, satria efa nanomana sorona Iaveh, efa nanamasina ny olo-nasainy izy.

8 Ary izao no hitranga: Amin'ny andron'ny soron'ny Tompo hofaiziko ny mpanapaka sy ny zanak'andriana, mbamin'izay rehetra manao fitafian'ny hafa firenena.

9 Hofaiziko avokoa amin'izany andro izany, izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, ka nameno fahasiahana amam-pitaka ny tranon'ny tompony.

10 Amin'izany andro izany dia izao no hatao, - teny marin'ny Tompo: Hisy antsoantso hitatatata avy ao am-bavahadin'ny hazandrano; hisy fitarainana, avy ao an-tanàna faharoa; ary hisy kotrokotroka be avy amin'ny havoana.

11 Midradradradrà, ry mponina ao amin'ny Feta, fa ringana avokoa ny vahoaka kananeana, levona avokoa izay rehetra mivesatra vola.

12 Izao no hatao amin'izany andro izany: Hokarohako amin'ny fanala Jerosalema, ka hofaiziko ny olona mandry mifetaka amin'ny faikany, izay manao anakampo hoe: Tsy manisy soa, tsy manisy ratsy Iaveh!

13 Hatolotra hobaboina, ny fananany, ary hatolotra horavana ny tranony; hanao trano izy, fa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy, fa tsy hisotro divay avy amin'izany.

14 Efa akaiky ny andro lehiben'ny Tompo, efa akaiky izy sady tamy haingana dia haingana! Injay migadona ny andron'ny Tompo! Ho velon-taraina mangidy amin'izay ny olo-mahery fo.

15 Fa izany andro izany, dia androm-pahatezerana, androm-pahoriana amam-tebiteby, andro fahalahelovana amam-pandravana, androm-pahamaizinana sy fanjombonana, andro mandrahona sady manjavona mainty,

16 andron'ny trompetra sy ny fanairana, eo ambonin'ny tanàna mimanda, mbamin'ny nongonongona avo amin'ny manda.

17 Halatsako am-pahoriana ny olona, ka hiraparapa toy ny jamba, satria nanota tamin'ny Tompo izy. Hararaka toy ny vovoka ny rany, ary toy ny zezika ny nofony.

18 Tsy hisy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin'ny andron'ny fisafoahan'ny Tompo; holevonin'ny fahasarotam-piarony avokoa ny tany; fa hataony rava tsy misy miangana, ataony fototra tampoka, ny mponina rehetra amin'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.068