Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Sofonia

Sofonia toko 2
Fitsaran'Andriamanitra ny firenena - Famporisihana hibebaka alohan'ny fitsaran'Andriamanitra - Fitsarana ny Filistina, ny Moabita sy ny Ammonita, ny Etiopiana sy ny Asiriana.

       1Mitombena saina, mieritrereta ao anatinareo,
ry karazan'olona lany henatra,
       2alohan'ny hiterahan'ny didy
sy hihelenan'ny andro toy ny mololo;
alohan'ny hiharan'ny firehitry ny fahatezeran'ny Tompo aminareo,
alohan'ny hidonan'ny andron'ny fahaviniran'ny Tompo aminareo.
       3Mitadiava an'ny Tompo, hianareo manetry tena rehetra amin'ny tany,
izay efa nanaraka ny lalàny; katsaho ny fahamarinana,
katsaho ny fanetren-tena.
Ho tafahaloka angamba hianareo amin'ny andron'ny fahatezeran'ny Tompo!
       4Fa Gaza, hafoy;
Askalona, hanjary efitra;
Azota horoahina mitataovovonana;
ary Akarona hofongorana.
       5Loza ho an'ny mponina any amin'ny faritanin'ny ranomasina,
dia ny firenenan'ny Kretoa!
Efa voatonona ny tenin'ny Tompo mamely anareo
ry Kanaana, tanin'ny Filistina:
Ary haringako hianao ka tsy hisy mponina sisa eo aminao intsony.
       6Ny faritanin'ny ranomasina hanjary tany fiandrasan'ondry
sy zohin'ny mpiandry ondry, ary valan'ondry.
       7Ho faritany ho an'ny sisa amin'ny taranak'i Jodà izany,
hiandry ny ondriny eo izy;
dia handry ao amin'ny tranon'i Askalona nony hariva,
fa hamangy sy hanangana azy indray Iaveh Andriamaniny.
       8Reko avokoa ny fanevatevan'i Moaba
sy ny fanaratsian'ny taranak'i Ammona,
izay nanevateva ny vahoakako,
sy nitatra nibohy taminy teny amin'ny sisin-taniny.
       9Ka noho izany dia velona aho,
- teny marin'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely:
Moaba hanahaka an'i Sodoma;
ary ny taranak'i Ammona ho tahaka an'i Gomora:
fitoerana nafoy ho an'ny amiana sy tany ihadian-tsira,
ho efitra mandrakizay.
Izay sisa amin'ny vahoakako hambabo azy,
ary izay tavela amin'ny fireneko no hahazo azy ho lovany.
       10Izany no hihatra aminy dia noho ny avonavony,
satria naneso sy niangiangy
tamin'ny vahoakan'ny Tompon'ny tafika.
       11Ho fampatahorana mafy ho azy Iaveh,
fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin'ny tany;
ary hiankohoka eo anatrehany samy any amin'izay misy azy avy,
ny mponina amin'ny nosim-pirenena rehetra.
       12Hianareo koa, ry Etiopiana!..
Ho voatrobaky ny sabatro izy ireo.
       13Haninji-tànana hamely ny avaratra koa izy,
handringana an'i Asora,
ary hahalao an'i Niniva,
ka hahatonga azy ho karankaina toy ny efitra.
       14Eo afovoany no handrian'ny biby fiompy
ny biby isan-karazany;
na sama sy ny sokina avy
no haka fonenana any amin'ny loha andriny;
hisy feo mihira ho re eny ambaravarankely;
ary fandravana no ho eo an-tokonana,
fa efa nendahana ny peta-kazo sedera.
       15Io no ilay tanàna niravoravo,
nipetraka amin-toky
nanao anakampo hoe:
Izaho, ary tsy misy hafa-tsy izaho!
Ahoana no nanjariany ho efitra,
sy fonenan'ny biby!
Na iza na iza handia azy,
dia hisitrisitry sy hanifikifi-tànana. >