Bokin'i Sofonia

Toko faha-3

1 Loza ho an'ilay miodina sy voaloto dia ny tanàna fampahoriana!

2 Tsy nisy feo nohenoiny akory, tsy nandray anatra izy, tsy niankina tamin'ny Tompo, tsy nanatona an'Andriamaniny.

3 Ao aminy, ny mpanapaka, liona mierona; ny mpitsarany, amboadia hariva, tsy mamela na inona na inona ho tra-maraina.

4 Ny mpaminaniny vavàna sady olona mamitaka; ny mpisorony mandoto ny zava-masina sy mandika ny lalàna.

5 Marina Iaveh eo afovoany, tsy misy tsy rariny ny ataony; mamoaka ny fitsarany isa-maraina izy mba hanome ny fahazavana, ary tsy diso amin'izany izy na oviana na oviana; fa ny olona tsy tia vavaka tsy mahalala henatra!

6 Firenena maro no naringako, ka rava ny tilikambony, nataoko lao ny arabeny ka tsy hisy mpandia intsony; voarava ny tanànany ka tsy misy olona intsony, tsy misy mponina na iray aza.

7 Hoy aho: Hatahotra ahy ahay hianao, handray ny anatra; dia tsy ho rava ny fonenany, araka izay rehetra notapahako ny aminy. Kanjo vao mainka nirotoroto izy ireo hanimba ny asa rehetra ataony.

8 Koa andrasonareo aho, - teny marin'ny Tompo, amin'ny andro hitsanganako haka babo! Satria izao no didiko, dia ny hanangonako ny firenena, hamoriako ny fanjakana, hanidinako ny fahatezerako amin'izy ireo, dia ny firehetan'ny fahatezerako rehetra. Fa ny afon'ny fahasarotam-piaroko no handevona ny tany rehetra.

9 Fa amin'izany ny firenena homeko molotra madio hiantsoan'izy rehetra ny anaran'ny Tompo sy hanompoany azy amim-piraisan-kina.

10 Avy any an-dafin'ny onin'i Etiopia ireo mpivavaka amiko, ireo naeliko, hitondra ny fanatitra ho ahy.

11 Amin'izany andro izany tsy ho henatra ho anao intsony, ny asanao rehetra izay nanotanao tamiko; satria amin'izany hesoriko hiala eo aminao ireo izay nifaly tamim-pireharehana; ary hianao tsy hiavonavona intsony eo an-tendrombohitro masina.

12 Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray izay hatoky ny anaran'ny Tompo.

13 Ny sisa amin'Israely dia tsy hanao ny tsy marina, na hilaza lainga, ary tsy hahitana eo am-bavany intsony izay lela mandainga. Fa hihinana sy handry fahizay izy ireo, ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.

14 Mihobia, ry zanakavavin'i Siona! manaova feo firavoravoana, ry Israely! Mifalia sy mireharehà amin'ny fonao rehetra, ry zanakavavin'i Jerosalema.

15 Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin'ny Tompo, ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao. Iaveh, Mpanjakan'Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony hianao.

16 Amin'izany andro izany, izao no holazaina amin'i Jerosalema: Aza matahotra, ry Siona, ary aza miraviravy tànana!

17 Iaveh, Andriamanitrao no eo aminao, mpamonjy mahery! Ary izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao; hangina izy amin'ny fitiavany; noho ny aminao dia hisebiseby amin'ny hobin-kafaliana.

18 Hovoriko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina; satria isan'ny anao ireny, itambesaran'ny latsa.

19 Amin'izany andro izany hofaranako ny amin'ny momba an'ireo rehetra mpampahory anao: Hovonjeko ikala mandringa, hangoniko ikala voaroaka, ka hataoko be voninahitra sy malaza izy ireo, any amin'ny tany rehetra nanakorana azy.

20 Amin'izany andro izany, hampodiko hianareo; ary amin'ny andro hanangonako anareo, hataoko malaza sy be voninahitra hianareo, any amin'ny firenena rehetra eto an-tany, rahefa hatsahatro ny fahavalonareo, eo imasonareo, hoy Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1171