Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote
1 Timote toko 6, 11-16.
<11Koa aoka àry hianao, ry olon'Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. 12Miadia ny ady tsaran'ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason'ny vavolombelona maro. 13Izao no ananarako anao eo anatrehan'Andriamanitra, mpamelona ny zavatra rehetra, sy ny Kristy Jesoa, izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pontsy-Pilaty: 14tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy, hatramin'ny fisehoan'i Jesoa-Kristy Tompontsika, 15izay hasehon'Andriamanitra amin'ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka, Tompon'ny tompo. 16Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin'ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita azy na mety hahita azy, ary azy ny voninahitra sy fanjakana mandrakizay. Amena. >