Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote
1 Timote toko 6, 13-16.
<13Izao no ananarako anao eo anatrehan'Andriamanitra, mpamelona ny zavatra rehetra, sy ny Kristy Jesoa, izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pontsy-Pilaty:
14tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy, hatramin'ny fisehoan'i Jesoa-Kristy Tompontsika,
15izay hasehon'Andriamanitra amin'ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka, Tompon'ny tompo.
16Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin'ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita azy na mety hahita azy, ary azy ny voninahitra sy fanjakana mandrakizay. Amena. >