Taratasy Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko voalohany

6 Noho izany, mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra ao anatinao, izay noraisinao tamin'ny fametrahako tànana taminao.

7 Fa tsy fanahy osa no nomen'Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena. 8 Koa aoka hianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin'ny herin'Andriamanitra, 13 Tano amin'ny finoana sy ny fitiavana ao amin'ny Kristy Jesoa ny mariky ny fampianarana marina renao tamiko.

14 Ary aoka ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao amintsika no hoentinao mitahiry ny zavatra tsara napetraka taminao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0739