Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

2 Timote toko 4, 10-17b.
<10Kresensy lasa nankany Galatia, ary Tito any Dalmatia. 11Lioka irery no eto amiko, ka alao Marka, ento miaraka aminao, fa manampy ahy fatratra amin'ny raharaha izy. 12Tisiko dia nirahiko ho any Efezy. 13Ento kely ilay kapaoty navelako tany Troasy ao amin'i Karposa rahefa mankaty hianao, ary ny boky koa, fa indrindra ny taratasy hoditra. 14Be loatra ny ratsy nafitsok'i Aleksandra mpanefy varahina tamiko; ny Tompo no hamaly azy araka ny asany. 15Ary hianao koa mitandrema tena tsara aminy, fa mafy izay nanoherany ny teninay izay.
       16Tsy nisy nanampy ahy tamin'ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan'izy rehetra aho; enga ka tsy hotanana ho helony izany! 17Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan'ny jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan'ny liona aho. >