Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote
1 Timote toko 2, 1-8
Ny tsy maintsy hivavahana ho an'ny olona rehetra - Fomba fivavaky ny lehilahy sy ny vehivavy.
1Ny angatahiko voalohany indrindra àry, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an'ny olona rehetra, 2ho an'ny mpanjaka sy ho an'ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an'Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka. 3Izany no tsara sy ankasitrahana eo imason'Andriamanitra Mpamonjy antsika, 4izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin'ny fahalalana ny marina. 5Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona, dia ny Kristy Jesoa tonga olombelona, 6izay nanolotra ny tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voambara tamin'ny fotoany izany, 7ary ny hitory izany nametrahana ahy ho mpitory sy Apostoly ary ho mpampianatra ny jentily amin'ny finoana sy ny fahamarinana; milaza ny marina aho, fa tsy mandainga.
8Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tànana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina; >