Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote
2 Timote toko 4, 1-2
Famporisihana hitory teny sy hiasa mafy - Hafatra sasany sy fanaovam-beloma.
1Izao no angatahina aminao, eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany: 2mitoria ny teny, ary mahareta amin'izany na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva. >