Taratasin'i Md. Paoly Ho An'i Tito

Toko voalohany

1 Paoly, mpanompon'Andriamanitra sy Apostolin'i Jesoa-Kristy momba ny finoan'ny olom-pinidin'Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay mahasoa ny fanahy,

2 noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan'ny taona rehetra; 3 fa tamin'ny fotoana voatendriny no nampiharihariany ny teniny tamin'ny fitorian-teny izay napetraka tamiko araka ny didin'Andriamanitra Mpamonjy antsika: 4 dia mamangy an'i Tito, zanako malala amin'ny finoana iombonantsika; ho aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika. 5 Ny antony namelako anao tany Kreta dia ny mba hamitanao ny fandaminana ny zavatra rehetra, sy hanendrenao Pretra isan-tanĂ na, araka ny nandidiako anao:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0579