Epistolan'i Md. Paoly Ho An'i Tito
Tito toko 3
Ny tokony hifanarahana amin'ny namana - Ny tsy tokony hiadiana hevitra foana - Hafatra sasany sy fanaovam-beloma.
1Ampahatsiarovy ny mpino fa adidin'izy ireo ny manaiky ny mpanapaka sy ny manam-pahefana, ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra, 2tsy hilaza ratsy olona, tsy hifanditra, fa hifanaraka sy hampiseho halemem-panahy lehibe amin'ny olona rehetra. 3Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon'ny faniriana amam-pilan-dratsin'ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa. 4Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan'Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona, 5dia tsy noho ny asan'ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; izy no namonjy antsika tamin'ny fanasàna nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina, 6izay nampidininy be dia be tamintsika tamin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika; 7mba hohamarinin'ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.
8Teny marina tokoa izany ka tiako hoanterinao tsara no filaza azy, mba hikely aina amin'ny fanaovana asa soa izay mino an'Andriamanitra. Izany no tsara sy mahasoa ny olona. 9Fa raha ny amin'ny fandinihan-javatra tsy misy heviny kosa, mbamin'ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana, ny ady hevitra foana momba ny Lalàna, dia ialao ireny, fa sady tsy mahasoa no zava-poana. 10Ny olona tia fisarahan-kevitra koa ialao rahefa nanarinao tsy zaka indray maka na indroa, 11satria fantatrao fa efa ratsy mihitsy ny toy izany sady manota, fa ny tenany aza no manameloka azy.
12Rahefa maniraka an'i Aretmasy na Tisiko aty aminao aho, dia tongava faingana aty amiko aty Nikopolisy, fa mikasa handany ny ririnina any aho. 13Vonony tsara izay ilain'i Zenasy mpahay ny Lalàna sy Apolo amin'ny diany, mba tsy hisy tsy ampy izay ilainy. 14Aoka ny rahalahintsika koa hianatra hanao asa soa mba ho afa-manampy rahefa misy mahaporitra, fandrao olona tsy misy vokany izy. 15Manao veloma anao avokoa izay rehetra tia antsika amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena. >