Epistolan'i Md. Paoly Ho An'i Tito
Tito toko 3, 4-7
<4Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan'Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona,
5dia tsy noho ny asan'ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; izy no namonjy antsika tamin'ny fanasàna nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina,
6izay nampidininy be dia be tamintsika tamin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika;
7mba hohamarinin'ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay. >