Taratasin'i Md. Paoly Ho An'i Tito
Toko faha-3
1 Ampahatsiarovy ny mpino fa adidin'izy ireo ny manaiky ny mpanapaka sy ny manam-pahefana, ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra,2 tsy hilaza ratsy olona, tsy hifanditra, fa hifanaraka sy hampiseho halemem-panahy lehibe amin'ny olona rehetra. 3 Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon'ny faniriana amam-pilan-dratsin'ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa. 4 Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan'Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona, 5 dia tsy noho ny asan'ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; izy no namonjy antsika tamin'ny fanasàna nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina, 6 izay nampidininy be dia be tamintsika tamin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika; 7 mba hohamarinin'ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.