Bokin'i Tobia

Toko faha-11

1 Nony niverina izy ireo, ka tonga tao Karana, tanàna eo amin'ny fisasahan-dàlana mankany Niniva, tamin'ny andro faharaika ambin'ny folo,

2 dia hoy ity anjely: Ry Tobia rahalahiko, fantatrao ny toetra nandaozanao an-drainao teo; 3 ka raha sitrakao andeha isika hialoha, fa avelao ny ankizilahy no handeha kelikely isan'andro ato aoriana, miaraka amin'ivadinao sy ireto biby fiompinao. 4 Nankasitrahan'i Tobia izany hevitra izany, ka hoy Rafaela taminy: Mitondrà eo aminao amin'ny aferon-kazandrano, fa misy hilanao an'izany; dia naka tamin'izany afero izany Tobia, ary niainga izy ireo. 5 Tamin'izany Anna, nandeha isan'andro, nipetraka teo amoron-dalana, tamin'izao havoana kely izao, fa mahatazan-davitra eo.

6 Raha ilay nitily ny hihavian-janany iny indrindra izy dia indry izy tazany tamy mbola lavitra, ka rahefa fantany dia lasa izy nihazakazaka nilaza tamin'ny lahy nanao hoe: Indry tamy ny zanakao. 7 Tobia izany, dia nilazan-dRafaela hoe: Rahefa tonga any an-trano hianao, ny Tompo Andriamanitrao no itsaohy miaraka amin'izay dia misaora azy, vao manatona an-drainao hianao sy manoroka azy;

8 ary hosory faingana amin'ilay aferon-kazandrano nentinao ny masony, satria fantaro fa hisokatra eo no ho eo ny masony ka hahita ny hazavan'ny lanitra ny rainao, sy ho feno hafaliana amin'ny fahitana anao. 9 Tamin'izay ilay alika nanaraka azy tany am-pivahiniana, nihazakazaka nialoha azy ireo toa hilaza ny vaovao, nanafosafo tamin'ny rambony, an-kafaliana fatratra.

10 Dia nitsangana ity ray jamba, ka rafitra nihazakazaka, fa tafintohina ny tongony ka noraisin'ny mpanompo anankiray tamin'ny tànany izy handeha hitsena an-janany. 11 Nofihininy tamin'ny tànany sy nohorokorohany izy, ary torak'izany koa no nataon'ny vadiny, dia samy latsa-dranomason-kafaliana izy mivady. 12 Nony avy nitsaoka sy nisaotra an'Andriamanitra izy ireo, dia nipetraka. 13 Niaraka tamin'izay, nalain'i Tobia ny aferon-kazandrano, ka nohosorany tamin'io ny mason-drainy. 14 Niandry sahabo ho antsasak'adiny izy, dia nisy zavatra fotsifotsy hoatra ny hoditr'atody nanomboka niala avy ao amin'ny masony. 15 Noraisin'i Tobia izay, nosintoniny hiala amin'ny mason-drainy, dia nahiratra niaraka tamin'izay izy. 16 Koa nisaotra an'Andriamanitra izy ireo, dia izy sy ny vadiny mbamin'izay rehetra nahalala azy. 17 Hoy Tobia: Misaotra anao aho, ry Tompo Andriamanitr'Israely, fa nofaizinao aho, dia nositraninao indray; ary indro mahita an'i Tobia zanako aho. 18 Hafitoana taorian'izany, dia tonga koa Sarà sy ny mpanompony rehetra samy salama tsara, mbamin'ny biby fiompiny aman-drameva ary ny vola rehetra tamin'ny fanambadiany, sy ilay naverin'i Gabelosa.

19 Notantarain'i Tobia tamin-drainy aman-dreniny ny soa rehetra natolotr'Andriamanitra azy, tamin'ny nataon'ity lehilahy nitari-dàlana azy. 20 Akiora sy Nabata havan'i Tobia koa tonga namangy azy tamin-kafaliana lehibe, sy niarahaba azy tamin'ny soa rehetra nataon'Andriamanitra taminy. 21 Ka niara-nihinana sy nirobiroby fatratra izy ireo, nandritra ny hafitoana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0494