Bokin'i Tobia

Toko faha-13

1 Dia nisoka-bava, nisaotra ny Tompo Tobia rainy ka nanao hoe: Lehibe hianao, ry Tompo, ao amin'ny mandrakizay, ary manenika ny taona rehetra ny fanjakanao.

2 Fa mamay hianao ary mamonjy; mitondra ho any am-pasana hianao, ary manatsoaka avy ao; ary tsy misy olona afa-mitsoaka eo an-tananao.

3 Mankalaza ny Tompo, ry zanak'Israely, ary midera azy eo anatrehan'ny firenena.

4 Fa nanely anareo ho eo amin'ny firenena tsy mahalala azy izy, mba hitantaranareo ny asany mahagaga, sy hampahafantaranareo azy ireo fa tsy misy Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra afa-tsy izy ihany.

5 Nofaiziny isika noho ny tsy fahamarinantsika, ary hovonjeny kosa, noho ny famindram-pony.

6 Diniho ange ny nitondrany antsika, ka misaora azy amin-tahotra sy hovitra, ary manomeza voninahitra ny Mpanjakan'ny taona rehetra amin'ny asanareo.

7 Raha izaho, dia tiako ny misaotra azy amin'ity tany mahababo ahy ity, satria naharihariny amin'ny firenena meloka, ny voninahiny.

8 Koa mibebaha hianareo, ry mpanota, ary manaraha ny marina eo anatrehan'Andriamanitra, amim-pitokiana fa hamindra fo aminareo izy.

9 Raha izaho, dia hifaly ao aminy amin'ny foko rehetra aho.

10 Misaora ny Tompo, hianareo rehetra izay vahoaka voafidy. Manaova andro fifaliana, ary mihira fiderana azy.

11 Ry Jerosalema tanĂ nan'Andriamanitra, nofaizin'ny Tompo hianao noho ny asan'ny tananao.

12 Omeo voninahitra ny Tompo amin'ny asa soanao, ary misaora ny Andriamanitry ny taona rehetra, mba haoriny eo aminao indray ny fitoerany masina; mba haveriny eo aminao indray ny babo rehetra, dia hifaly amin'ny taona mandrakizay hianao.

13 Hamirapiratra amin'ny hazavana manjopiaka hianao, ka hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra eto an-tany.

14 Ho tonga eo aminao ny firenena avy any an-tany lavitra, hitondra fanatitra ka hitsaoka ny Tompo ao anaty mandanao, sy hihevitra ny taninao ho fitoerana masina;

15 fa hiantso ilay Anarana lehibe eo afovoanao izy.

16 Ho voaozona izay manamavo anao, ho voaheloka izay miteny ratsy anao, ary hotahina izay hanangana anao.

17 Fa hianao kosa hifaly amin'ny zanakao, satria hohasoavina avokoa izy, sady hiangona eo amin'ny Tompo.

18 Sambatra izay rehetra tia anao, sy mifaly amin'ny fiadananao.

19 Ry fanahiko, misaora ny Tompo, satria nanafaka an'i Jerosalema tananany tamin'ny fahoriany rehetra izy, ilay Tompo Andriamanitsika.

20 Ho sambatra tokoa aho, raha mba misy tamingako tavela, hahita ny famirapiratan'i Jerosalema.

21 Fa harafitra amin'ny vato safira sy emeraoda ny vavahadin'i Jerosalema, ary amin'ny vato sarobidy avokoa ny mandany rehetra manodidina azy.

22 Vato fotsy madio indrindra no hatao ngorodon'ny tokotaniny, ary hohiraina eny an-dalambeny ny hoe : Aleloia!

23 Isaorana anie ny Tompo, nanome izany voninahitra izany ho an'i Jerosalema, Ary hanjaka eo aminy amin'ny taona mandrakizay anie Izy. Amena!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.037