Bokin'i Tobia

Toko faha-14

1 Toy izany no niafaran'ny tenin'i Tobia. Taty aorian'ny nahiratany dia velona roa amby efapolo taona Tobia, ka nahita ny zanaky ny zafiny.

2 Roa amby zato taona no tontalin'ny andro niainany, ary nalevina tamin-panajana tany Niniva izy. 3 Fa enina amby dimampolo taona izy, no tonga jamba, ary efa enimpolo taona izy vao nahiratra indray. 4 Lany tamin'ny hafaliana avokoa ny andro sisa rehetra niainany, ary araka ny nandrosoany tamin'ny fahatahorana an'Andriamanitra no nitomboan'ny fiadanana nankafiziny. 5 Nony efa ho faty izy, nantsoiny ho eo akaikiny avokoa Tobia zanany sy ny zafiny, zanak'io, fito mirahalahy, ka hoy izy taminy:

6 Efa akaiky ny faharavan'i Niniva, fa tsy maintsy tanteraka ny tenin'Andriamanitra ary ny rahalahintsika tafaely aty, lavitra ny tanin'Israely dia hiverina any indray. 7 Ka hisy mponina indray ny tanin'Israely rehetra efa zary efitra teo iny; haorina indray ny tranon'Andriamanitra efa nodorana teo iny, ary hiverina any avokoa izay rehetra matahotra an'Andriamanitra. 8 Handao ny sampiny ny firenena ka ho avy ao Jerosalema sy honina ao. 9 Hifaly ao avokoa ny mpanjakan'ny tany rehetra mitsaoka an'ilay Mpanjakan'Israely. 10 Koa mihainoa ny rainareo, anaka, manompoa ny Tompo amin-pahamarinana, ary mikeleza aina hanao izay sitrany.

11 Hafatrafaro ny zanakareo hanaraka ny rariny, hanao fiantrana, hahatsiaro an'Andriamanitra, ary hisaotra azy mandrakariva amim-pahamarinana sy amin'ny heriny rehetra. 12 Ankehitriny, anaka, mihainoa ahy, ka aza mitoetra amin'ity tanĂ na ity, fa amin'ny andro handevenanareo an-dreninareo eo akaikiko, amin'ny fasana iray ihany, dia miaingĂ  hiala aty,

13 satria hitako fa hahatarika ny fandravana azy ny tsy fahamarinan'i Niniva. 14 Koa nony maty reniny, dia niala tany Niniva Tobia mbamin'ny vady aman-janany sy ny zafiny ary niverina nankany amin'ny rafozany.

15 Salama tsy marofy sy tratra antitra tsara no nahitany azy, dia izy no nikarakara an'ireo sy nanirina ny masony; nahazo ny lova rehetra tamin'ny tranon-dRagoela, ary nahita ny zanaky ny zanany hatramin'ny taranaka fahadimy izy. 16 Nony efa velona sivy amby sivifolo taona tamin'ny fahatahorany ny Tompo izy, dia tamin-kafaliana no nandevenan'ny zanany azy. 17 Naharitra tamin'ny toe-piainana tsara sy fitondran-tena masina, ny fianakaviany aman-taranany rehetra, ka notiavin'Andriamanitra sy ny olombelona ary ny tany ama-monina rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0462