Bokin'i Tobia

Toko faha-3

1 Velon-tsento Tobia tamin'izay ka rafitra nivavaka tamin-dranomaso, nanao hoe:

2 Marina hianao, ry Tompo, marina avokoa ny fitsaranao, antra sy hitsiny aman-drariny, ny lalànao rehetra. 3 Koa ankehitriny, ry Tompo, tsarovy aho, aza valianao ny ratsy nataoko, ary aza tsahivinao ao amin'ny fahatsiarovanao, ny fahotako sy ny an'ny razako. 4 Fa tsy nankatò ny didinao izahay, ka natolotra ho amin'ny fandrobana, ho amin'ny fahababoana, ho amin'ny fahafatesana sy ho amin'ny fihomehezana ary ho amin'ny fandatsana eo amin'ny firenena rehetra nanelezanao anay. 5 Ary izao, ry Tompo ô, lehibe ny famaizanao, satria tsy nitandrina ny didinao tamin'ny nataonay izahay, sy tsy nandeha tamim-pahatsorana teo anatrehanao. 6 Koa amin'izao, ry Tompo ô, ataovy izay sitra-ponao amiko, ary tapaho ny horaisina amim-piadanana ny fanahiko fa izao tsara lavitra amiko ny maty noho ny velona. 7 Tamin'izay andro izay ihany koa, tany Ekbatana, tanànan'ny Meda, dia nandre ny fanebahan'ny iray amin'ny ankizivavin-drainy azy, Sarà zanakavavin-dRagoela.

8 Fa lehilahy fito no efa samy namoahana azy ho vadiny, nefa nisy demony anankiray atao hoe Asmodea namono an'ireo, raha vao nandeha taminy izy. 9 Ka raha niteny an'ilay ankizivavy iny izy, noho izay hadisoany anankiray izay, dia izao no navalin'io azy: Aza hahitanay zanakalahy na zanakavavy eto an-tany hianao na oviana na oviana, ry ilay mpamono vadinao; 10 tadiavinao hovonoina aho toy ny namonoanao azy fitolahy vadinao. Raha nandre izany teny izany Sarà dia niakatra tany amin'ny efi-tranon'ny tranony ambony rihana, ka nijanona tao hateloana, tsy nihinana na nisotro; 11 fa naharitra nivavaka sy nitaraina tamin'Andriamanitra tamin-dranomaso mba hanafaka azy amin'izany fahafaham-baraka izany. 12 Tamin'ny andro fahatelo dia notaperiny ny fivavahany, ka nisaotra ny Tompo izy, nanao hoe:

13 Isaorana anie ny anaranao, ry Andriamanitry ny razanay ô, fa na dia eo am-pahatezeranao aza dia mamindra fo hianao, ary amin'ny andron'ny fahoriana dia mamela heloka an'izay miantso anao. 14 Koa any aminao no itodihan'ny tavako, ry Tompo ô, 15 afaho amin'izao fatoram-pahafaham-baraka izao aho, fa raha tsy izany, dia esory amin'ity tany ity aho. 16 Fantatrao, ry Tompo, fa tsy mba naniry izay vady aho, ary niaro ny fanahiko tamin'ny filan-dratsy rehetra. 17 Tsy mba nankany amin'izay lalao fijilajilana foana aho, na oviana na oviana, na mba nifanatona tamin'izay lehilahy hafahafa fitondran-tena foana. 18 Tsy mba fanarahana ny filan'ny nofoko, fa noho ny fahatahorana anao no hany nanekeko hanam-bady. 19 Asa na izaho no tsy mendrika ho azy ireo, na izy ireo no tsy mendrika ho ahy, fa angamba notehirizinao ho vadin'olon-kafa aho. 20 Tsy azon'olombelona fantarina ny fisainanao. 21 Kanefa na zovy na zovy mivavaka aminao, dia mino tsy am-pisalasalana izy, fa matoa zahan-toetra ny fiainany dia hovaliam-boninahitra, raha tra-pahoriana aza ny tenany dia ho afaka, ary raha iharam-pamaizana izy dia hety hahazo famindram-po avy aminao. 22 Satria tsy mifaly amin'ny fahavoazany hianao, fa andro tony no ampanarahinao ny tafio-drivotra; fifaliana no atondrakao manaraka ny tany aman-dranomaso. 23 Isaorana amin'ny taona rehetra anie ny anaranao, ry Andriamanitr'Israely ô! 24 Indray voahaino teo anatrehan'ny voninahitr'ilay Andriamanitra ambony indrindra ireo fitalahoana roa ireo.

25 Ny anjely masin'ny Tompo, Rafaela, no voairaka hanasitrana an'i Tobia sy Sarà, fa ny vavak'izy ireo dia indray notononina teo anatrehan'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1146