Bokin'i Tobia

Toko faha-6

10 Dia hoy Tobia taminy: Aiza no tianao hialantsika sasatra?

11 Ary hoy ny anjely namaly azy: Eto misy lehilahy anankiray atao hoe: Ragoela, iray foko amam-pianakaviana aminao, manan-janakavavy anankiray atao hoe Sarà izy; ary tsy manan-janaka hafa, afa-tsy izay, na lahy na vavy.

Toko faha-7

1 Dia niditra tao amin-dRagoela izy ireo, ka noraisiny tamin-kafaliana.

9 Nony avy niresaka teo izy ireo, nampamono ondralahy iray Ragoela sy nampanamboatra sakafo lehibe dia nanainga azy ireo hipetraka hisakafo.

10 Fa hoy Tobia: Tsy hihinana na hisotro eto aho anio, raha tsy ekenao aloha ny fangatahako, ka omenao toky aho fa homenao ho vadiko Sarà zanaka vavinao. 11 Nivadika ny fon-dRagoela nandre izany teny izany, satria fantany ny nanjo azy fito lahy vadin'io, izay nanatona azy, ka raiki-panahiana sahady izy, fandrao dia hidiran-doza toy izany koa ity. Mbola tao anatin'izany fisalasalana izany izy, ka mbola tsy namaly ny fangatahan'i Tobia, 12 no hoy ity anjely taminy: Aza matahotra ny hanome ny zanakao vavy ho vadin'ity tovolahy ity, fa tsy maintsy ho anjara vadin'io matahotra an'Andriamanitra io izy, ka izany no tsy nahazoan'ny hafa rehetra nanana azy. 13 Dia hoy Ragoela tamin'izay: Tsy misalasala aho, fa efa noraisin'Andriamanitra teo anatrehany ny vavaka aman-dranomasoko; 14 ary mino aho fa izy no naniraka anareo ho aty amiko, mba hanambadian'ny zanako vavy ny havany, araka ny lalàn'i Moizy. Koa dia aza misalasala intsony fa dia omeko anao izy. 15 Dia nalainy ny tànana havanan'ny zanany vavy nataony teo amin'ny tànana havanan'i Tobia ka hoy izy: Homba anareo anie ny Andriamanitr'i Abrahama, ny Andriamanitr'Isaaka, ary ny Andriamanitr'i Jakoba, hanakambana anareo anie izy, ary hampidina ny tso-dranony feno aminareo. 16 Rahefa izany, naka taratasy izy, dia nosoratany ny fanambadian'izy ireo. 17 Vita izany, vao nandroso nanao fihinanam-be tamim-pisaorana an'Andriamanitra izy ireo.

Toko faha-8

4 Ary Tobia kosa namporisika an-drazazavavy nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Sarà, aoka hivavaka amin'Andriamanitra isika anio sy ampitso ary rahafak'ampitso; Andriamanitra no hiraisantsika mandritra ireo andro telo ireo; rahefa afaka ny alina fahatelo dia ho velona ao amin'ny fanambadiantsika isika. 5 Fa zanaky ny olo-masina, ka tsy mahazo miray araka ny fanaon'ireo firenena tsy mahalala an'Andriamanitra. 6 Dia nitsangana izy ireo ka niara-nivavaka tamin-kafanam-po mba hanomezany azy ny fahasalamana. 7 Hoy Tobia: Ry Tompo Andriamanitry ny razanay, hisaotra anao anie ny tany aman-danitra, ny ranomasina, ny loharano sy ny ony, mbamin'ny zava-boahary rehetra ao aminy. 8 Hianao no nanao an'i Adama, tamin'ny fota-tany sy nanome an'i Eva ho vadiny. 9 Ary ankehitriny, ry Tompo, fantatrao fa tsy mba ny hanarana ny filan'ny nofoko no angalako an'ity anabaviko ity ho vadiko, fa noho ny faniriako ta-hamela taranaka izay hidera ny anaranao amin'ny taona rehetra ihany. 10 Ary hoy Sarà: Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindra fo aminay, enga anie ka ho tratra antitra ho salama tsy marofy izahay roroa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1073