Bokin'i Tobia

Toko faha-8

1 Nony vita ny sakafo, dia nentin'izy ireo ho ao amin'i Sarà razazalahy.

2 Tsaroan'i Tobia ny tenin'ny anjely, ka nangalany ny ati-kazandrano tao an-kitapony, nataony teo ambony vain'afo. 3 Tamin'izay dia nosamborin'ny anjely Rafaela ilay demony ka nafatony tany an-efitr'i Ejipta ambony. 4 Ary Tobia kosa namporisika an-drazazavavy nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Sarà, aoka hivavaka amin'Andriamanitra isika anio sy ampitso ary rahafak'ampitso; Andriamanitra no hiraisantsika mandritra ireo andro telo ireo; rahefa afaka ny alina fahatelo dia ho velona ao amin'ny fanambadiantsika isika. 5 Fa zanaky ny olo-masina, ka tsy mahazo miray araka ny fanaon'ireo firenena tsy mahalala an'Andriamanitra. 6 Dia nitsangana izy ireo ka niara-nivavaka tamin-kafanam-po mba hanomezany azy ny fahasalamana. 7 Hoy Tobia: Ry Tompo Andriamanitry ny razanay, hisaotra anao anie ny tany aman-danitra, ny ranomasina, ny loharano sy ny ony, mbamin'ny zava-boahary rehetra ao aminy. 8 Hianao no nanao an'i Adama, tamin'ny fota-tany sy nanome an'i Eva ho vadiny. 9 Ary ankehitriny, ry Tompo, fantatrao fa tsy mba ny hanarana ny filan'ny nofoko no angalako an'ity anabaviko ity ho vadiko, fa noho ny faniriako ta-hamela taranaka izay hidera ny anaranao amin'ny taona rehetra ihany. 10 Ary hoy Sarà: Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindra fo aminay, enga anie ka ho tratra antitra ho salama tsy marofy izahay roroa. 11 Vao maneno akoho dia nasain-dRagoela tonga ny mpanompony ka niara-nandeha taminy hihady fasana ireo,

12 fa hoy izy: mety hanjo an'io koa ny nanjo an'ireo fitolahy vadiny izay nandeha hanatona azy. 13 Nony vita ny fasana, niverina nankao amin'ny vavy Ragoela, nilaza taminy hoe: 14 Iraho ny iray amin'ny ankizivavinao, hizaha raha maty izy, mba handevenako azy alohan'ny vaky masoandro. 15 Dia naniraka ny iray amin'ny ankizivaviny Anna. Nony niditra tao amin'ilay efi-trano io, indreo ry zareo tsy maninon-tsy maninona samy matory avy. 16 Dia niverina izy, nilaza izany vaovao mahafaly izany. Dia nisaotra ny Tompo Ragoela sy Anna vadiny nanao hoe: 17 Misaotra anao izahay, ry Tompo Andriamanitr'Israely, fa tsy nihatra ny loza natahoranay. 18 Namindra fo taminay hianao, fa nampanalavirinao anay ny fahavalo manenjika anay. 19 Efa niantra ireo zanaka samy tokana hianao, ka ataovy mitombo fisaorana anao hatrany izy ireo, sy hanolotra sorom-piderana aminao noho ny niarovana azy, ary hahafantaran'ny firenena rehetra fa hianao irery no Andriamanitra amin'ny tany rehetra. 20 Niaraka tamin'izay dia nasain-dRagoela nototofan'ny mpanompony alohan'ny vaky masoandro ilay fasana nataony.

21 Ary nilaza tamin'ny vavy izy hanomana fihinanam-be, sy hanomana ny zavatra rehetra ilain'ny mpivahiny, momba ny vatsiny. 22 Nampamono ombivavy roa matavy koa izy sy ondralahy efatra, hanaovana sakafo ho an'ny manodidina azy rehetra, mbamin'ny sakaizany rehetra. 23 Ary niangavy mafy tamin'i Tobia Ragoela, mba hijanona eo aminy tapa-bolana. 24 Nomen-dRagoela ho an'i Tobia ny antsasaky ny fananany rehetra, sady nandahatra an-tsoratra koa izy, fa rahefa maty izy ireo, ny antsasany sisa dia tsy maintsy ho lasan-ko fananan'i Tobia ihany koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0935