Bokin'i Tobia

Toko faha-8

5 Fa zanaky ny olo-masina, ka tsy mahazo miray araka ny fanaon'ireo firenena tsy mahalala an'Andriamanitra. 6 Dia nitsangana izy ireo ka niara-nivavaka tamin-kafanam-po mba hanomezany azy ny fahasalamana. 7 Hoy Tobia: Ry Tompo Andriamanitry ny razanay, hisaotra anao anie ny tany aman-danitra, ny ranomasina, ny loharano sy ny ony, mbamin'ny zava-boahary rehetra ao aminy. 8 Hianao no nanao an'i Adama, tamin'ny fota-tany sy nanome an'i Eva ho vadiny. 9 Ary ankehitriny, ry Tompo, fantatrao fa tsy mba ny hanarana ny filan'ny nofoko no angalako an'ity anabaviko ity ho vadiko, fa noho ny faniriako ta-hamela taranaka izay hidera ny anaranao amin'ny taona rehetra ihany. 10 Ary hoy Sarà: Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindra fo aminay, enga anie ka ho tratra antitra ho salama tsy marofy izahay roroa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1577