Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Tonon-kira Dia Tonon-kira

Tononkira toko 1
Lohateny sy fampidirana - Tononkira voalohany

       1Tonon-kira dia tonon-kira, nataon'i Salomona.
       2Hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany anie izy!
Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao;
       3soa ny hanitry ny zava-manitrao,
diloilo mamerovero ny anaranao,
izany no itiavan'ny zatovovavy anao.
       4Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika!
Nentin'ny mpanjaka ho ao an'efi-tranony mitokana aho,
hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay,
hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay.
An-drariny loatra ny itiavan'ny olona anao!
       5TENIN'NY AMPAKARINA
Mainty aho, ry zanakavavin'i Jerosalema, nefa tsara tarehy,
Sahala amin'ny lain'i Sedara, tahaka ny trano lain'i Salomona.
       6Aza ny hamaintiko no jerena,
fa ny hainandro no nampivalomainty ahy:
tezitra tamiko ny zanak'i neny;
nasainy niandry tanimboaloboka aho,
ny tanimboaloboka, ny ahy, tsy mba nandrasako.
       7Lazao ahy, ry malalan'ny foko,
izay iandrasanao ny ondrinao,
izay ampandrianao azy raha mitatao vovonana ny andro,
mba tsy ho tahaka ny mpirenireny foana aho,
eny amin'ny andian'ondrin'ny namanao eny.
       8NY ANTOKOM-PIHIRA
Raha tsy fantatrao izany, ry tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy,
mandehana manaraka ny biby fiompinao,
dia andraso eny akaikin'ny trano bongon'ny mpiandry ondry, ny zanak'osinao.
       9NY MPAMPAKATRA
Amin'ny soavalivaviko mitarika ny kalesin'i Faraona
no ampitahako anao, ry malalako.
       10Tsara ny takolakao voahodidin'ireo fehivozona,
soa ny vozonao, voahodidin'ireo voahangy maro andalana.
       11Ny hataonay ho anao dia rado volamena mitentim-bolafotsy.
       12NY AMPAKARINA
Raha teo amin'ny saofany indrindra iny ny mpanjaka
no nandefa ny fofony kosa ny zava-manitro.
       13Ho ahy ny malalako, dia mira eran-kitapokely,
izay miondana eo an-tratrako.
       14Amiko ny malalako, dia sipra iray sampaho,
any an-tanimboalobok'i Engadì!
       15NY MPAMPAKATRA
Eny, tsara tarehy hianao, ry malalako; eny tsara tarehy hianao!
Masom-boromailala, ny masonao.
       16NY AMPAKARINA
Eny, tsara tarehy hianao, ry malalako, eny mahafinaritra hianao.
Ny farafarantsika dia farafaran-java-maitso.
       17NY MPAMPAKATRA
Sedera ny sakamandimbin-tranontsika;
sipresy ny peta-drindrintsika. >