Tonon-kira Dia Tonon-kira

Toko faha-2

1 NY AMPAKARINA Izaho, dia narsisa any Sarona, lisy eny an-dohasaha.

2 NY MPAMPAKATRA Toy ny lisy eo afovoan'ny tsilo, ny malalako eo amin'ny zazavavy.

3 NY AMPAKARINA Toy ny foto-paoma any afovoan'ny hazo any an'ala, ny malalako eo amin'ny zazalahy. Niriko ny hipetraka eo ambanin'ny alokalony, ary mamy ao am-bavako ny voany.

4 Nampidiriny ao an-tranon-divainy aho, ary fitiavana no faneva atsangany ho ahy.

5 Tohano ampempam-boaloboka aho, hatanjaho amin'ny paoma aho, fa matim-pitia ny foko.

6 Hanondana ahy anie ny tanany havia, ary hanohona ahy ny tanany ankavanana.

7 NY MPAMPAKATRA Ry zanakavavin'i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra, noho ny gazela aman-tserfavavy eny an-tsaha, aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako, raha tsy efa sitrapony.

8 NY AMPAKARINA Injay ny feon'ny malalako, indry tamy izy, miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra; mitsambikina amin'ny havoana.

9 Manahaka ny gazela ny malalako, sy ny zanaky ny serfavavy. Indro izy eo ivohon-drindrin-tranonay mijery eo am-baravarankely, mijery eo amin'ny makarakara.

10 Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe: Mitsangana, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!

11 Fa indro ny ririnina efa lasa; ny ranonorana efa nitsahatra tsy misy intsony.

12 Ny voninkazo efa miposaka amin'ny tany; ny fotoana fihirana efa tonga. Ny feon-domohina efa re eny an-tsahantsika;

13 efa mipoitra ny voan'aviavy vao mitsimoka, ny voaloboka mamony efa mamerovero; mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko ka avia!

14 Ry voromailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato; eo amin'ny fialofan'ny rindrim-bato mideza, asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao.

15 Isambory ny fosa izahay ny fosa madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; fa efa mamony ny voalobokay.

16 Ahy ny malalako, ary azy aho; miandry ny ondriny eny amin'ny lisy izy.

17 Alohan'ny hangatsiatsiahan'ny andro, sy hahalasanan'ny aloka mba miverena... Ry malalako, aoka hianao hanahaka ny gazela na ny zanaky ny serfavavy eny an-tendrombohitra voatsefatsefaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1079