Tonon-kira Dia Tonon-kira

Toko faha-5

1 NY MPAMPAKATRA Efa tafiditra ny tanimboliko aho, ry anabaviko voafofo, efa nioty ny mirako aman-java-manitro aho; efa nihinana ny toho-tantely aman-tanteliko aho...! efa nisotro ny divay aman-drononoko aho...! Mihinana, ry sakaiza, misotroa, mimamoa, hianareo olon-tiako!

2 NY AMPAKARINA Matory aho, nefa mahatsiaro ny foko... Injay ny feon'ny malalako! Mandondona izy: - Vohay aho, ranabavy, ry sakaizako, ry voromailalako, ry ahy tsy misy pentina; fa vonton'ny ando ny lohako, kotsan'ny andon'ny alina ny voloko voalantolanto. -

3 Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana no fiakanjo indray? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy indray.

4 Ny malalako mampidi-tanana amin'ny loaky ny hidim-baravarana, ka nangoraka azy ny foko.

5 Dia nitsangana aho namoha ny malalako, ary nitete mira ny tanako, ny mira tsara indrindra avy amin'ny rantsan-tanako, nihanaka teo amin'ny famohan-karetsaka.

6 Namoha trano ny malalako aho; kanjo nanjavona ny malalako; nandositra izy. Tsy nahatsiaro tena aho raha niteny tamiko izy. Nitady azy aho, nefa tsy nahita; niantso azy, nefa tsy novaliany.

7 Nifanehatra tamiko ny mpiambina, dia ireo izay misafo ny tanana alina; ka nokapohiny nataony mangana aho; nendahin'ireo mpiambina ny manda ny lambako.

8 Miangavy anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema, raha mahita ny malalako hianareo, ahoana no holazainareo aminy...? - Mararim-pitia aho. -

9 NY ANTOKOM-PIHIRA Inona no ihoaran'ny malalanao nohon'ny malala hafa, ry tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy? Inona no ihoaran'ny malalanao, nohon'ny malala hafa, no dia miangavy anay toy izao hianao?

10 NY AMPAKARINA Ny malalako dia mandina sy menamena, notsongaina tamin'ny iray alina.

11 Volamena madio ny lohany; malefaka hoatra ny sampam-palafa ny volony milantolanto, sady mangilohilo toy ny goaika.

12 Ny masony tahaka ny voromailala amoron-tsakeli-drano, mandro amin'ny ronono, mipetraka amin'ny morona.

13 Ny takolany tahaka ny kisahasahan-kazo mitete dity manitra, sy toritory fambolena hazo manitra: lisy ny molony, izay mitete mira faran'izay madio.

14 Ny tanany dia anjam-bolamena, voaisy vatosoa avy any Tarisisa: ny tratrany taozavatra ivoara kanto indrindra, voaisy safira betsaka.

15 Ny ranjony andry vatosanga, miorina amin'ny faladia volamena madio. Ny tarehiny tahaka an'i Libana, bikana toy ny hazo sedera.

16 Mamy dia mamy ny vavany, ary mahatehotia avokoa ny tenany. Toy izany ny malalako, toy izany ny olon-tiako, ry zanakavavin'i Jerosalema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0515