Tonon-kira Dia Tonon-kira

Toko faha-7

1 NY ANTOKOM-PIHIRA Miverena, miverena, ry Solamita. Miverena, miverena, mba hijerenay anao. NY MPAMPAKATRA Ahoana hianareo no mijery ny Solamita tahaka ny dihy any Makanaima.

2 NY ANTOKOM-PIHIRA Endrey izany hatsaran'ny tongotrao misy kapa, ry zanakavavin'andriandahy! Ny filefitry ny valahanao tahaka ny rado, asan-tanan'ny mpahay zavatra.

3 Ny foitranao dia kaopy kivorivory tsy ilaozan-divay voaisy zava-manitra. Ny kibonao toa varimbazaha mitoby, voahodidina lisy.

4 Ny nononao roa toa zana-tserfavavy roa, zanaka kamban'ny gazela izay.

5 Ny vozonao tahaka ny tilikambo ivoara; ny masonao tahaka ny kamorin'i Hesebona, anilan'ny vavahadin'ity tanĂ na be mponina. Ny oronao tahaka ny tilikambo any Libana, izay manatrika ny ilan'i Damasa.

6 Ny lohanao mipetraka eo amboninao tahaka an'i Karmela, ny volon-dohanao tahaka ny jaky mena; voasinton'ny fiolikoliny ny mpanjaka.

7 NY MPAMPAKATRA Soa loatra ity hianao, mahafinaritra ity hianao, ry fitiavako ao anatin'ny fahafinaretana.

8 Ny tsangananao manahaka ny fototr'antrendry, ary ny nononao, no toy ny sampahony.

9 Ka hoy aho: Hananika ny fototr'antrendry aho, dia handray ny sampahony. Aoka ny nononao ho tahaka ny sampahom-boaloboka; ny hanitry ny fofon'ainao, ho toy ny an'ny paoma;

10 ary ny vavanao ho toy ny divay voafantina...! NY AMPAKARINA Izay mitsororoka moramora ho an'ny malalako, mitsoriaka eo amin'ny molotry ny matory.

11 An'ny malalako aho, ary aty amiko no alehan'ny faniriany.

12 Avia, ry malalako, andeha isika ho any an-tsaha; andeha isika handry any amin'ny vohitra any.

13 Ho any an-tanimboaloboka, vao maraina isika, ka ho hitantsika raha mitsiry ny voaloboka, raha mivelatra ny tsiriny, raha mamony ny apongabendanitra; any homeko anao ny fitiavako.

14 Mamerovero ny hanitry ny mandragora, ary ao am-bavahadintsika avokoa ny voankazo tsara indrindra, na ny vaovao na ny tranainy: notehiriziko ho anao izany, ry malalako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1381