Bokin'i Zakaria
Zakaria toko 1
Teny mialoha - Famporisihana hibebaka - Fahitana: ny soavaly amam-pitaingina azy.
1Tamin'ny volana fahavalo, taona faharoa nanjakan'i Dariosa, ny tenin'ny Tompo dia natao tamin'i Zakaria, mpaminany, zanak'i Barakia, zanak'i Adao, nanao hoe: 2Tezitra mafy tamin'ny razanareo Iaveh. 3Koa lazao amin'izy ireo hoe:
Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika:
Miverena amiko hianareo,
- teny marin'ny Tompon'ny tafika.
4Aza manahaka ny razanareo,
izay nitorian'ny mpaminany taloha hoe:
Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika:
Miverena hianareo, mialà amin'ny làlan-dratsinareo,
sy amin'ny asa ratsinareo?
nefa tsy nihaino sy tsy nasiany raharaha akory aho,
- teny marin'ny Tompo.
5Ny razanareo aiza intsony ankehitriny?
Ary ny mpaminany koa, moa mba nety ho velona mandrakizay va?
6Fa ny teniko sy ny didiko kosa,
izay nasaiko nentin'ny mpaminany mpanompoko,
moa tsy nahatratra ny razanareo va,
ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe:
Izay efa notapahan'ny Tompon'ny tafika hatao amintsika araka ny làlantsika sy araka ny asantsika
dia nataony tamintsika tokoa.
7Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana, izay volana Sabata, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, tonga tamin'i Zakaria, mpaminany, zanak'i Barakia, zank'i Adao, ny tenin'Andriamanitra, dia izao:
8Fahitana no azoko tamin'ny alina: ka nisy lehilahy nitaingin-tsoavaly menapiny nijanona teo amin'ny hazo mirta, amin'ny toerana malokaloka; sady nisy soavaly menapiny sy mavomena ary fotsy teo aoriany. 9Ka hoy aho: Inona ireo, tompoko? Dia hoy ilay anjely, niresaka tamiko: Hasehoko anao ny amin'ireo. 10Ary ralehilahy izay teo amin'ny mirta, niteny nanao hoe: Ireo no nirahin'ny Tompo hitety ny tany. 11Ka dia namaly ireo tamin'ny anjelin'ny Tompo, izay teo amin'ny mirta ka nanao hoe: Efa nitety ny tany izahay, ka miadana sy mandry fahizay avokoa ny tany. 12Dia niteny ilay anjelin'ny Tompo nanao hoe: Ry Iavehn'ny tafika ô, mandra-pahoviana hianao no tsy hamindra fo amin'i Jerosalema sy ny tanànan'i Jodà, izay itezeranao efa hatramin'ny fitopolo taona? 13Ary Iaveh nilaza teny soa, teny fampiononana tamin'ilay anjely niresaka tamiko. 14Ary ity anjely niresaka tamiko kosa nanao tamiko hoe: Ataovy antso avo izao:
Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika:
Efa azon'ny fahasarotam-piaro mafy,
an'i Jerosalema sy an'i Siona aho.
15Ary mbola azon'ny fahasarotam-piaro mafy aho
hamely ny firenena izay milomano amin'ny harem-be.
Satria izaho moa, efa tezitra kely sahady,
izy kosa niasa nankamin'ny fandravana ihany.
16Koa izao no lazain'ny Tompo:
Miverina eto Jerosalema amin'indrafo aho,
ka ny tranoko haorina eto indray,
- teny marin'ny Tompon'ny tafika,
ary ny famolaina hohenjanina amin'i Jerosalema.
17Ataovy antso avo koa izao:
Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika:
Mbola hitobaka eto an-tanànako ny harem-be;
ary mbola hampionona an'i Siona Iaveh,
sy mbola hifidy an'i Jerosalema. >