Bokin'i Zakaria
Zakaria toko 10
Ny fanompoan-tsampy sy ny mpifehy ratsy no nampidi-doza tamin'ny vahoaka taloha - Hofaizin'Iaveh ireo; ary Jodà sy Efraima kosa hoambininy amin'ny soa rehetra.
1Mangataha amin'ny Tompo ny ranonorana amin'ny lohataona.
Satria fa Iaveh no manao ny helatra;
ka homeny ranonorana be izy ireo,
ary ahitra eny an-tsahan'izy rehetra tsirairay avy.
2Fa ny terafima nilaza zava-poana,
ary ny ombiasy nahazo fahitana lainga;
nofy foana no ambaran'izany,
ary fampiononana sandoka no omeny;
ka hono izany, izy ireo mandeha toy ny ondry;
nampahorina, fa tsy nisy mpiandry.
3Nirehitra tamin'ny mpiandry ny fahatezerako,
ary hofaiziko ireo osilahy!
Fa Iavehn'ny tafika mamangy ny ondriny,
ny taranak'i Joda,
ka manao azy toy ny soavalim-boninahiny eo amin'ny ady.
4Avy aminy no hihavian'ny antoko-miaramila,
avy aminy ny orin-kazo, avy aminy ny tsipìka fiadiana;
avy aminy avokoa no hivoahan'ny filoha rehetra.
5Izy ireo ho toy ny mpiady mahery,
manitsaka ny fotaka eny an-dalambe amin'ny ady;
hiady izy ireo, satria omban'ny Tompo,
ka hahasafo-kenatra an'ireo mitaingin-tsoavaly.
6Hohatanjahako ny taranak'i Jodà,
ary hovonjeko ny taranak'i Josefa;
hanangana azy indray aho, fa mangoraka azy ireo;
ary ho toy ny tsy nariako akory izy,
fa Iaveh, Andriamaniny aho, ka hihaino azy ireo.
7Fa toy ny mpiady mahery, ry zareo Efraima,
hifaly toy ny fifaliana amin'ny divay ny fony;
hahita izany ireo zanany, ka hiravoravo,
ary hientan-kafaliana amin'ny Tompo ny fon'izy ireo!
8Hisiaka eny aoriana azy eny aho,
ka hanangona azy fa efa nanavotra azy;
dia hihamaro toy ny efa nihamaroany indray izy.
9Rahefa nafafiko tany amin'ny firenena izy,
ka mahatsiaro ahy any an-tany lavitra,
dia hiara-belona izy sy ny zanany, ka samy hiverina.
10Hampodiko avy any amin'ny tany Ejipta izy ireo,
sy hangoniko avy any Asiria,
dia hoentiko ho ao amin'ny tany Galaada sy Libàna
ka tsy ho omby azy ny tany.
11Hamaky ny ranomasina, ranomasim-pahoriana izy;
sy hikapoka ny onjan-dranomasina ao amin'ny rano,
dia ho tonga maina avokoa ny halalinan'ny ony.
Haetry ny avonavon'i Asiria,
ary halana ny tehim-panjakan'i Ejipta.
12Hampahereziko ao amin'ny Tompo izy ireo,
ka handeha amin'ny anarany, - teny marin'ny Tompo. >