Bokin'i Zakaria

Toko faha-11

1 Vohay ny vavahadinao, ry Libàna, ary aoka ho levon'ny afo ny sedranao!

2 Midradradradrà, ry sipresa, fa lavo ny sedera, voasimba ny hazo tsara mahagaga. Midradradradrà, ry oaka ao Basàna, fa ripaka ny ala mikirindro!

3 Re mitomany migogogogo ny mpiandry ondry, satria rava ny voninahiny; re mieronerona ny liona tanora, fa rava izay nireharehan'i Jordany.

4 Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitro: Aoka hianao ho mpiandry an'ireo ondry atao famono,

5 izay vonoin'ny mpividy azy ka tsy misy mpiaro, ary ataon'ny mpivarotra azy hoe: Isaorana anie Iaveh fa mitombo harena aho! - ary ny mpiandry tsy mitsimbina azy akory. 6 Fa tsy hitsitsy ny mponina amin'ny tany intsony aho, - teny marin'ny Tompo; indro aho hanolotra ny lehilahy samy ho an-tànan'ny namany avy, sy hoe eo an-tànan'ny mpanjakany avy, ka handrava ny tany ireo, nefa tsy hanafaka amin'ny tànan'ireo aho. 7 dia nilatsaka ho mpiandry ireo ondry natao famono aho, mbamin'ireo mahantra indrindra amin'ny andiany. Naka tehim-piandrasana roa aho, ka ny iray nataoko hoe i Fahasoavana; ary ny iray nataoko hoe i Kofehy; dia nandrasako ny ondry.

8 Telo no mpiandry nesoriko tanatin'ny iray volana monja. Ary izaho, tsy nahatsindry fo tamin'ny ondry; izy ireo koa tofoka ahy. 9 Dia hoy aho: Tsy hiandry anareo intsony aho, fa matesa izay ho faty, vereza izay ho very, ary mifampihinàna izay sisa! 10 Nalaiko ilay tehiko Fahasoavana, dia notapahako, mba hanafoanako ny fanekena nataoko tamin'ny firenena rehetra. 11 Dia voatapaka tamin'izany andro izany io ka dia fantatr'ireo ondry mahantra indrindra, izay nanao ahy ho zavatra, fa izany no tenin'ny Tompo. 12 Ary hoy aho taminy: Omeo ny karamako, raha tsara eo imasonao izany; fa raha tsy izany, aza manome foana. Dia nolanjain'izy ireo ny karamako ka sikla volafotsy telopolo.

13 Ary hoy Iaveh tamiko: Atsipazo ao amin'ny mpanefy tanimanga izany dia izay vidy be nanombanany ahy! Dia noraisiko ny vola telopolo sikla ka natsipiko tao an-tranon'ny Tompo ao amin'ny mpanefy tanimanga. 14 Rahefa izany, notapahako ilay tehiko, i Kofehy, hanafoanako ny firahalahian'i Jodà sy Israely. 15 Hoy Iaveh tamiko: Raiso amin'izao ny forongon'ny mpiandry vaovao.

16 Fa indro aho hanangana mpiandry amin'ny tany, izay tsy hanan-draharaha amin'ny ondry maniasia, tsy hitady ny mihahaka, tsy hitsabo ny naratra, tsy hamahana ny salama, fa hihinana ny nofon'izay matavy, sy hamaky ny kitrony. 17 Loza ho an'ny mpiandry tsinontsinona, izay mandao ny ondry! Aoka hasian'ny sabatra ny sandriny sy ny masony an-kavanana; ka ny sandriny ho maina, ary ny masony an-kavanana ho faty!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1377