Bokin'i Zakaria

Toko faha-13

1 Amin'izany andro izany, hisy loharano hisokatra, ho an'ny taranak'i Davida sy ny mponina ao Jerosalema, hanasa ny fahotana amam-pahalotoana.

2 Ary hisy zavatra toy izao amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompon'ny tafika: Hofoanako amin'ny tany ny anaran-tsampy, ka tsy hotononina intsony izany; ary hesoriko amin'ny tany koa ny mpaminany mbamin'ny fanahim-pahalotoana.

3 Ary raha misy mbola maminany ihany, dia hilazan'ny ray aman-dreniny niteraka azy hoe: Tsy ho velona hianao, fa nilaza lainga, tamin'ny anaran'ny Tompo! Dia ny ray aman-dreniny niteraka azy ihany no handefona azy eo am-paminaniany eo.

4 Ary hisy zavatra toy izao amin'izany andro izany: Ny mpaminany samy ho menatra ny fahitany avy raha maminany izy; ary tsy hitafy ny kapaoty volom-biby intsony, mba handainganany.

5 Hisy hilaza hoe: Tsy mpaminany aho, fa izaho dia olona mpiasa tany; satria voavidin'olona hatry ny fony mbola kely aho.

6 Ary hisy hilaza aminy hoe; Ka inona itony ratra amin'ny tànanao itony? ary hovaliany hoe: Ny nahavoa ahy toy izao dia tao an-tranon'ny sakaizako.

7 Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin'ny Tompon'ny tafika. Kapohy ny mpiandry, hihahafan'ny ondry. Dia hamerina ny tànako ho amin'ny madinika aho.

8 Amin'ny tany rehetra, - teny marin'ny Tompon'ny tafika, - ny androatokony haringana ho faty, ary ny ampahatelony sisa, havela ho ao ihany. 9 Fa io ampahatelony io hampidiriko ao amin'ny afo, hodioviko toy ny fandio volafotsy, haofana toy ny fanofana volamena. Izy hiantso ny anarako; ary izaho hamaly azy. Izaho hanao hoe: Oloko izy! Ary izy hilaza hoe: Andriamanitro Iaveh!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0981