Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Zakaria

Zakaria toko 14
Fanamelohana ny mpanompo sampy, sy fanamasinana an'i Jerosalema - Nasian'ny firenena Jerosalema, ka lasan-ko babo ny antsasaky ny tanàna - Vonjen'Iaveh ny olony sisa, sady anaovany làlana handosirana; andro safatsiroa - Fiadanan'ny tany - Faharavan'ny firenena fahavalo sasany; fibebahan'ny sasany - Fahamasinan'i Jerosalema.

       1Indro misy andro ho avy ho an'ny Tompo ka ny babo aminao hozaraina eo afovoanao. 2Hangoniko eo anoloan'i Jerosalema ny firenena rehetra hiady, ary ny tanàna, ho afaka; ny trano horobaina, ny vehivavy hanaovana an-keriny; ary ny antsasaky ny tanàna ho lasan-ko babo; fa ny vahoaka sisa kosa, tsy ho fongorana eo an-tanàna akory.
       3Fa hivoaka Iaveh hiady amin'ireo firenena ireo, toy ny fiadiny amin'ny andro fiadiana. 4Amin'izany andro izany, ny tongony hipetraka eo an-trendrombohitry ny Oliva, izay manandrify an'i Jerosalema amin'ny lafiny atsinanana, ka hitresaka eo afovoany miatsinanana sy miakandrefana ny tendrombohitry ny Oliva, ka hisy lohasaha lehibe fa ny antsasaky ny tendrombohitra hitresaka mianavaratra, ary ny antsasany kosa hianatsimo; 5dia eo amin'ny lohasahan'ny tendrombohitro, no handosiranareo, fa hipaka hatrany Atsala ny lohasahan'ny tendrombohitro: toy ny nandosiranareo ny horohoron-tany, tamin'ny andron'i Osiasa, mpanjakan'i Jodà, no handosiranareo. Ary ho avy Iaveh Andriamanitrao, ary ny olo-masina rehetra hiaraka aminy.
       6Amin'izany andro izany, dia hisy zavatra toy izao: ny mazava tsy hisy, fa ny hatsiaka sy ny ranomandry. 7Izany andro izany, dia ho safatsiroa ary fantatry ny Tompo, ka tsy ho andro izy, tsy ho alina, ary amin'ny fotoanan'ny hariva dia hisy ny mazava.
       8Amin'izany andro izany, dia hisy zavatra toy izao: Hisy rano velona, hivoaka avy ao Jerosalema, ny antsasany hankany amin'ny ranomasina atsinanana, ny antsasany hankany amin'ny ranomasina andrefana; dia ho toy izany na amin'ny fahavaratra na amin'ny ririnina. 9Ary Iaveh ho tonga mpanjaka amin'ny tany rehetra; ary amin'izany andro izany, dia ho tokana ihany Iaveh, ary ny anarany ho tokana ihany. 10Hovana ho tany lemaka ny tany rehetra, hatrany Gabaa ka hatrany Remmona, eo atsimon'i Jerosalema.
Ary hasandratra sy hipetraka amin'ny toerany Jerosalema, dia hatreo amin'ny vavahadin'i Benjamina ka hatreo amin'ny fitoeran'ny vavahadin'ny Zoro, ary hatreo amin'ny tilikambo Hananeely ka hatrany amin'ny famihazam-boaloboky ny mpanjaka. 11Ny olona, honinao ao, ny anatema tsy hisy intsony; ary Jerosalema handry fahizay.
       12Izao no fery hamelezan'ny Tompo ny firenena rehetra niady tamin'i Jerosalema: ny nofony hataony hihalò am-pitsanganana; ny masony hihalò ao anaty taola-masony; ary ny lelany hihalò ao am-bavany.
       13Amin'izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: Avy amin'ny Tompo no hisian'ny fikorontanana lehibe eo amin'izy ireo, ka samy hisambotra ny tànan'ny rahalahiny avy ny olona, sady hanainga tànana hamely ny namany avy. 14Jodà koa hiady amin'i Jerosalema. Ary ho voaangona ny harena amin'ny firenena rehetra manodidina, dia volamena sy volafotsy, ary fitafiana be dia be.
       15Ary ny fery hamely ny soavaly, ny mole, ny rameva, ny ampondra, mbamin'ny biby rehetra amin'ireny toby ireny, ho sahala amin'io fery io ihany.
       16Izay rehetra sisa tavela amin'ny firenena niakatra namely an'i Jerosalema, hiakatra isan-taona avokoa, hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, Iavehn'ny tafika, sy hankalaza ny fetin'ny Tabernakla. 17Izay fianakaviana tsy mba hiakatra any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, Iavehn'ny tafika, dia tsy mba hilatsahan'ny orana. 18Ary raha ny fianakavian'i Ejipta no tsy miakatra sy tsy tonga, dia tsy hilatsahan'ny ranonorana koa izy, sady hasian'ny fery hamelezan'ny Tompo an'izay tsy miakatra hankalaza ny fetin'ny Tabernakla. 19Izany no sazy hanjo an'i Ejipta sady sazy hanjo ny firenena rehetra, izay tsy miakatra hankalaza ny fetin'ny Tabernakla.
       20Amin'izany andro izany, ny korintsandrintsan-tsoavaly, dia hisy hoe: Fahamasinana ho an'ny Tompo; ary ny vilany ao an-tranon'ny Tompo, ho toy ny kapoaka eo anoloan'ny otely. 21Ny vilany rehetra ao Jerosalema sy any Jodà koa, dia ho zava-boatokana ho an'ny Tompon'ny tafika avokoa. Ka izay hanao sorona rehetra, dia ho avy haka amin'ireny sy hahandro ny henany ao aminy avokoa; ary tsy hisy Kananeana intsony ao an-tranon'ny Tompon'ny tafika, amin'izany andro izany. >