Bokin'i Zakaria

Toko faha-2

1 Nanopy ny masoko aho, ka nahita: dia indreo nisy tandroka efatra.

2 Dia hoy aho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireto? Ary hoy izy tamiko: Ireo no tandroka nampihahaka an'i Jodà sy Israely ary Jerosalema. 3 Ary naneho mpanefy efatra tamiko Iaveh. Ka hoy aho: Tonga haninona ireto?

4 Dia namaly izy nanao hoe: Iretsy no tandroka nampihahaka an'i Jodà, ka tsy nisy olona nanatraka loha akory; fa ireto kosa, tonga hampahatahotra azy mafy, ary hanjera ny tandrok'ireo firenena nanagan-tandroka hamely ny tanin'i Jodà mba hampihahaka azy. 5 Nanopy ny masoko aho, ka nahita: ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolaina teny an-tànany.

6 Dia hoy aho: Ho aiza hianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an'i Jerosalema hahitana izay hatao sakany sy izay hatao lavany. 7 Tamin'izay niseho ilay anjely niresaka tamiko, sady nisy anjely anankiray hafa niseho hitsena azy;

8 ka hoy izy taminy hoe: Mandehana faingana, milaza amin'io zatovo io, ataovy hoe: Honenana toy ny tanàna tsy mimanda Jerosalema, fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy. 9 Ary izaho, - teny marin'ny Tompo, - no ho manda afo manodidina azy sy hahazo voninahitra eo afovoany. 10 Avia! Avia! Mandosira avy any amin'ny tany avaratra, - teny marin'ny Tompo, fa naeliko eny amin'ny faravazan-tany efatra hianareo - teny marin'ny Tompo.

11 Avia, ry Siona, vonjeo ny tenanao, hianao izay monina ao amin'ny zanakavavin'i Babilona!

12 Fa izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Ho voninahiny no nanirahany ahy ho any amin'ny firenena nambabo anareo; satria izay mikasika anareo mikasika ny anakandria-masony.

13 Fa indro aho manetsika ny tànako eo ambonin'ireny, ka izy ireo ho tonga remby ho an'ireo manompo azy; ary hianareo, hahalala fa Iavehn'ny tafika no naniraka ahy.

14 Manaova hobim-pifaliana sy miravoravoa, ry zanakavavin'i Siona, fa indro aho tamy, ary honina ao afovoanao, - teny marin'ny Tompo.

15 Amin'izany andro izany, maro ny firenena hiraiki-po amin'ny Tompo, ka ho vahoakako izy ireo; ary izaho honina ao afovoanao, dia ho fantatrao fa Iavehn'ny tafika no naniraka ahy ho aminao.

16 Iaveh hanana an'i Jodà ho anjarany eo amin'ny tany masina; ary mbola hifidy an'i Jerosalema izy.

17 Aoka hangina eo anatrehan'ny Tompo ny nofo rehetra, fa hitsangana avy eo amin'ny fitoerany masina izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0808