Bokin'i Zakaria

Toko faha-3

1 Nasehony ahy Jesoasy, mpisorona lehibe, nitsangana teo anatrehan'ilay anjelin'ny Tompo, ary Satana nitsangana teo ankavanan'io mba hanohitra azy.

2 Dia hoy Iaveh tamin'i Satana: Aoka hosakanan'ny Tompo hianao, ry Satana, aoka hianao hosakanan'ny Tompo, izay nifidy an'i Jerosalema! Tsy forohana nosarihana avy ao amin'ny afo va ity? 3 Ary nitafy maloto Jesoasy sy nitsangana teo anatrehan'ilay anjely.

4 Ary niteny ilay anjely ka nilaza tamin'ireo nitsangana teo anatrehany nanao hoe: Esory ny fitafiana maloto eny aminy. Dia hoy izy taminy: Jereo, efa nesoriko taminao ny haratsianao; sady fitafiana fitondra amin'ny fety no natafiko anao. 5 Ary hoy aho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Dia nasian'izy ireo hamama madio teo an-dohany, sady notafiany izy; ary nitsangana teo ilay anjelin'ny Tompo. 6 Ka izao no fanambarana nolazain'ilay anjelin'ny Tompo, tamin'i Jesoasy:

7 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Raha mizotra amin'ny lalako hianao sy mahatoky hianao amin'ny fanaovana ny raharahako, dia hanapaka ny tranoko koa hianao; sy hiambina ny kianjako, sady havelako malalaka hiditra ho isan'ireto izay mitoetra aty.

8 Mihainoa ary, ry Jesoasy, mpisorona lehibe, hianao sy ireo namanao mipetraka eo anoloanao: - fa olona hatao fambara ireo: - Indro aho efa hampiavy ilay Solofo, mpanompoko.

9 Fa inty ny vato napetrako eo anoloan'i Jesoasy; maso fito no amin'izay vato tokana izay; indro aho efa hisokitra ny hosokirina aminy, - teny marin'ny Tompon'ny tafika, ary hesoriko indray andro monja ny helok'ity tany ity!

10 Amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompon'ny tafika, samy hifanasa avy hianareo, eo ambanin'ny voaloboka sy eo ambanin'ny aviavy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0373