Bokin'i Zakaria

Toko faha-5

1 Natopiko indray ny masoko, ka nahita aho: Ary indro nisy horonan-taratasy nanidina.

2 Ary hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ka hoy aho: Horonan-taratasy manidina, roapolo hakiho ny lavany, folo hakiho ny sakany, no hitako. 3 Dia hoy izy tamiko: Io no ozona mivoaka ho eo ambonin'ny tany rehetra; fa araka ny voasoratra ao, izay rehetra mangalatra, hosorohina hiala eto; ary araka ny voasoratra ao, izay rehetra mianiana hosorohina hiala eto. 4 Izaho no nandefa izany ozona izany, - teny marin'ny Tompon'ny tafika, - ka ho tonga ao amin'ny tranon'ny mpangalatra sy amin'ny tranon'ny mianiana tsy to amin'ny anarako, dia hitoetra ao afovoan'izany trano izany ary handevona azy mbamin'ny hazony sy ny vatony. 5 Niseho indray ilay anjely niresaka tamiko, ary nanao tamiko hoe: Atopazo ny masonao, ka ajereo io miseho io. Dia hoy aho: Inona io?

6 Ary hoy izy: Ny efah no miseho; sady nampiany hoe; Mifantoka amin'io avokoa ny fijerin'izy ireo, any amin'ny tany rehetra. 7 Ary indro nisy vongam-piraka boribory naingaina, ary nisy vehivavy anankiray nipetraka teo afovoan'ny efah.

8 Dia hoy izy hoe: Io vehivavy io no haratsiam-panahy. Dia natosiny ho ao afovoan'ny efah izy io, sady nantontany teo am-bavan'io ilay vogam-piraka. 9 Ary natopiko ny masoko, dia nahita aho. Ary indro nisy vehivavy roa niseho, ka ny rivotra, nitsoka tamin'ny elany; nanan'elatra toy ny an'ny vano izy; ary ny efah nentiny ho eo anelanelan'ny lanitra sy ny tany.

10 Ka hoy aho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Hoentiny ho aiza ity efah? 11 Dia hoy ny navaliny ahy: Hoentiny hanaovan-trano ho azy, any amin'ny tany Sennaara, ka rahefa voaorina izany, dia hapetraka ao izy, ao amin'ny fitoerany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0499