Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Zakaria

Zakaria toko 7
Fanontanian'ireo iraka avy any Betela, ny amin'ny fifadian-kanina hotandremana - Ny navalin'Iaveh: tsy misy hasiny ny fifadian-kanina raha tsy eo ny fibebahana marina amim-panetren-tena.

       1Tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Dariosa, tonga tamin'i Zakaria ny tenin'ny Tompo, tamin'ny andro fahefatry ny volana fahasivy, volana Kasleo. 2Naniraka an'i Sarasara sy Rogommeleky mbamin'ny olony, ny tany Betela hitalaho amin'ny Tompo, 3hiteny amin'ireo mpisorona ao an-tranon'ny Tompon'ny tafika mbamin'ireo mpaminany hoe: Tokony hitomany va aho, amin'ny volana fahadimy, sy hanao fifadian-kanina, toy ny efa nataoko hatramin'ny taona maro be? 4Dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompon'ny tafika nanao hoe: 5Mitenena hianao amin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany mbamin'ny mpisorona, ka lazao amin'izy ireo hoe: Raha nifady hanina sy nanao fisaonana hianareo, tamin'ny volana fahadimy sy fahafito, efa hatramin'ny fitopolo taona izay, moa ho avy va no nifadianareo hanina? 6Ary raha mihinana sy misotro hianareo, moa tsy ny tenanareo va no mihinana sy misotro? 7Moa tsy eo va ireo teny nolazain'ny Tompo tamin'ny vavan'ny mpaminany fahiny, fony mbola nonenana sy nandry fahizay Jerosalema, mbamin'ny zana-bohiny manodidina azy, sady mbola nonenana koa ny negeba sy ny sefelah?
       8Tonga tamin'i Zakaria ny tenin'ny Tompo, nanao hoe: 9Izao no nolazain'ny Tompon'ny tafika: Manaova fitsarana marina; samia mamindra fo sy miantra ny namany avy, 10aza mampahory ny mpitondra tena, na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misain-dratsy ao am-ponareo, hamelezana ny namanareo. 11Tsy nety nihaino anefa izy ireo, fa nampiodina ny sorony sy nanamafy ny sofiny tsy hahare. 12Nataony tonga toy ny diamondra ny fony tsy hihaino ny lalàna sy ny teny nampitondrain'ny Tompon'ny tafika azy ireo, nolazain'ny Fanahiny tamin'ny alàlan'ny mpaminany fahiny. Koa nisy fahatezerana mafy avy amin'ny Tompon'ny tafika. 13Ka dia nisy toy izao: Toy ny niantsoany, fa tsy nohenoin'izy ireo; no hiantsoin'izy ireo koa, fa tsy hohenoiko izy ireo, hoy Iavehn'ny tafika. 14Haeliko any amin'ny firenena rehetra tsy fantany izy ireo, ka ny tany eo aorian'izy ireo hipetraka foana, ary tsy hisy olona handalo na hiverina ao. Ilay tany mahafinaritra iny, ka nataony zary efitra. >