Bokin'i Zakaria

Toko faha-9

1 Teny fitsarana. Tenin'ny Tompo mamely ny tany Hadraky; ary ao Damasa no ho fonenany, - fa ny mason'ny Tompo dia eo amin'ny olona, sy eo amin'ny fokon'Israely rehetra; -

2 ary koa ao Hamata, mifanolotra amin'i Damasa, sy ao Tira mbamin'i Sidona, satria be fahendrena izy.

3 Tira dia nanao trano mimanda ho azy, nanangona volafotsy hoatra ny vovoka, sy volamena hoatra ny fotaka eny an-dalambe.

4 Indro fa ho azon'ny Tompo izy io; hasiany ny heriny eny amin'ny ranomasina, ary ny tenany ho levonin'ny afo.

5 Hahita izany Askalona, ka hatahotra; Gaza koa hiolanolana azon'ny fijaliana; ary Akarona koa, fa efa ho levona ny fanantenany. Gaza, tsy hanam-panjaka intsony, ary tsy honenana intsony Askalona.

6 Vahiny tsy manjary no haka fonenana ao Azota, ary hofoanako ny avonavon'ny Filistina.

7 Hesoriko avy any am-bavany ny rany; ary ho avy eo anelanelan'ny nifiny ny fahavetavetany; ka izy koa dia ho sisa ho an'Andriamanitsika; ho toy ny lohany amin'i Jodà, ary Akarona ho toy ny Jeboseana.

8 Hitoby manodidina ny tranoko aho; hiaro azy amin'ny tafika rehetra sy amin'ny mpandehandeha rehetra; ka tsy hisy mpampahory hamaky eo aminy intsony, fa ny masoko no efa nahita ankehitriny.

9 Mifalia amin'ny hafaliana lehibe, ry zanakavavin'i Siona! Manaova feo firavoravoana, ry zanakavavin'i Jerosalema. Fa indro ny Mpanjakanao avy ho atý aminao; marina izy sady arovan'Andriamanitra; manetry tena mitaingina ampondra dia ampondra tanora, zanak'ampondravavy.

10 Hofoanako tsy hisy ny kalesa fiadiana any Efraima, mbamin'ny soavaly ao Jerosalema, Ary hopotehina ny tsipìka fiadiana. Hilaza fiadanana amin'ny firenena izy; ny fanjakany dia hahatratra ny hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina; ary hatramin'ny ony ka hatramin'ny faran'ny tany.

11 Ho anao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao, no efa hamoahako ny mpifatotrao avy ao an-davaka tsy misy rano.

12 Miverena ho ao amin'ny fitoerana mimanda, hianareo babon'ny fanantenana. Mbola lazaiko anio izao: Indroa heny no haveriko aminao.

13 Fa henjaniko ho ahy, Jodà, ary ataoko amin'ny tsipìka Efraima. Hamporisika ny zanakao aho, ry Siona, hiady amin'ny zanakao, ry Javana, ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery hianao.

14 Hiseho eo ambonin'izy ireo Iaveh, hitsoriaka toy ny helatra, ny zana-tsipìkany. Hampaneno ny trompetra ny Tompo Iaveh, ary handroso amin'ny tafio-drivotra any atsimo.

15 Harovan'ny Tompon'ny tafika izy ireo; ka handevona, hanitsakitsaka ny vaton'antsamotady, hisotro, hihavatravatra toy ny azon-divay, ary ho feno toy ny kapoaka fisoronana, toy ny tandroky ny otely.

16 Iaveh, Andriamaniny, no ho famonjena azy ireo, amin'izany andro izany; dia ho famonjen'ny andian'ondry izay vahoakany; izy ireo ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra, hampirapiratra eo amin'ny taniny.

17 Endrey izany fandrosoana, endrey izany hatsaran-tarehin'izy ireo! Ny vary, hampitombo ny zatovo, ary ny divay vaovao, hampitombo ny virjiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1405