Bokin'i Zakaria
Zakaria toko 9, 9-10
<9Mifalia amin'ny hafaliana lehibe, ry zanakavavin'i Siona!
Manaova feo firavoravoana, ry zanakavavin'i Jerosalema.
Fa indro ny Mpanjakanao avy ho atý aminao;
marina izy sady arovan'Andriamanitra;
manetry tena mitaingina ampondra
dia ampondra tanora, zanak'ampondravavy.
10Hofoanako tsy hisy ny kalesa fiadiana any Efraima,
mbamin'ny soavaly ao Jerosalema,
Ary hopotehina ny tsipìka fiadiana.
Hilaza fiadanana amin'ny firenena izy;
ny fanjakany dia hahatratra ny hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina;
ary hatramin'ny ony ka hatramin'ny faran'ny tany. >