Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Eksaody

Eksaody toko 17, 8-13

       <8Amaleka nandroso hanafika an'Israely tao Rafidima, ka hoy Moizy tamin'i Josoe: 9Mifantena lehilahy hianao dia handeha hiady amin'i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon'ny havoana, mitana ny tehin'Andriamanitra ao an-tànako. 10Dia nataon'i Josoe izay nandidian'i Moizy azy, dia niady amin'i Amaleka izy; fa Moizy sy Aarona ary Hora kosa niakatra tany an-tampon'ny havoana. 11Raha nasandratr'i Moizy ny tànany dia Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tànany, Amaleka no nahomby. 12Nony efa vizana ny tànan'i Moizy, naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany, ary Aarona sy Hora kosa nanohana ny tànany avy eo ankilany avy, ka tsy niketraka intsony ny tànany mandra-pilentiky ny masoandro. 13Dia resin'i Josoe tamin'ny lelan-tsabatra Amaleka sy ny olony. >