Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 13, 1-5
Ilaina ny fibebahana - Ny aviavy tsy mamoa - Ilay vehivavy tsy nahatraka sitrana tamin'ny andro sabata - Ny voan-tsinapy - Ny lalivay - Ny varavarana ety - Jerosalema mpamono ny mpaminany.

       1Tamin'izany andro izany ihany koa no nisy olona sasany tonga nilaza tamin'i Jesoa ny nanjo an'ireo Galileana, fa nalatsak'i Pilaty niaraka tamin'ny soron'izy ireo ny rany. 2Ary novaliany hoe: Moa ataonareo fa ireny Galileana ireny dia mpanota mihoatra noho ny Galileana rehetra matoa nozoin-doza toy izany? 3Tsia, hoy izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho very tahaka azy avokoa hianareo rehetra. 4Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin'ny folo maty nianjeran'ny tilikambon'i Siloe no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema? 5Tsia, hoy izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho very tahaka azy avokoa hianareo rehetra. >